Manomboka miseho masoandro ireo vahiny manohana ny mpanongam-panjkana. Tsy nanaitra ny rehetra intsony fa efa nampoizina hatry ny ela ny fahitana ny masoivoho Frantsay Jean Marc Châtaigner nanatrika ny matso teny Mahamasina ny sabotsy lasa teo, nandritra ny fankalazana ny faha-50 taona niverenan’ny fahaleovantena.
Nanampy azy ka namaly ny fanasan’ny HAT ihany koa ny solontenan’i Tiorkia sy Senegal. Tsy hita teny Mahamasina kosa, ankoatra ireo voalaza tetsy ambony ireo ny masoivoho vahiny sy ny fikambanana iraisam-pirenena rehetra manana solontena sy toeram-piasana eto amintsika. Raha nanontanian’ny mpanao gazety ny anton’ny nahatongavany ary namaly ny antson’ny HAT moa ny masoivoho Frantsay dia nambarany fa tonga hiaraka hifaly sy hifety amin’ny vahoaka malagasy sy ny foloalindahy ny tenany noho ny faha-50 taonan’ny fahaleovantena. Nambarany koa fa misy fifandraisana ara-tantara mafonja i Madagasikara sy Frantsa ka rariny loatra raha miara-mifety sy mifanohana. Tsy nanambara kosa anefa izy fa hoe midika ho fanekena ny fitondran’i Andry Rajoelina izao nanatrehany ny matso teny Mahamasina izao. Ho an’ireo firenena hafa nandefa ny masoivohony kosa, tahaka an’i Tiorkia sy Senegal, dia vinavinain’ny
mpanara-baovao fa mety vokatry ny hetsika sy fandresen-dahatra nataon’i Jean-Marc Châtaigner tamin’iny herinandro lasa iny izany. Araka ny tsiliantsofina re mantsy dia nitety ireo masoivoho vahiny ity masoivoho Frantsay ity mba handresy lahatra azy ireo hamaly ny fanasan’ny foloalindahy noho ny faha-50 taona nijoroany. Ho an’i Senegal manokana dia tsy mahagaga ny nandefasany ny masoivohony satria anisan’ireo mpiara-miasa akaiky amin’i Frantsa aty Afrika ity firenena ity, ary manana ny anjara toerany eo anivon’ny Frantsa-Afrika. I Tiorkia moa dia azo antoka fa noho ny tombontsoa ara-toekarena manokana no antony nahatongavan’ny masoivohony teny Mahamasina satria vao misantatra ny fiaraha-miasany amintsika ity firenena ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.