Politique

Masoivoho Frantsay sy Amerikanina Horoahina fa manelingelina ?


  • Alakamisy 27 Aprily 2017

Mihalalina ny hantsana manasaraka ny fanjakana HVM amin’ny Frantsay sy ny Amerikanina. Niaraha-nahita ny fihetsik’ireto firenen-dehibe 2 ireto tamin’ny alalan’ireo masoivoho 2 dia i Véronique Vouland-Aneini sy Robert Yamate,

 izay samy nanome tosika sy nankahery hatrany ny Bianco amin’ny resaka ady amin’ny kolikoly, indrindra fa taorian’ny raharaha Claudine Razaimamonjy ka maharomotra ny fanjakana Rajaonarimampianina. Miseholany ny endrika tsy fifankahazoana na dia tsy mivantana aza saingy manomboka miseho masoandro ankehitriny. Anisan’ny nisongadina ny zava-nisy nandritra ny hetsika nokarakarain’ny masoivohon’i Etazonia teny amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely ny talata 25 aprily, nifarana omaly alarobia. Fanamarihana ny faha-150 taonan’ny firahalahiana ara-diplomatika teo amin’i Madagasikara sy Etazonia no nomarihina tamin’ny alalan’iny hetsika nampisalorana ny anarana “America Week” iny saingy tsy nisy na tamingana mpikamban’ny governemanta aza nanatrika nandritra ny lanonam-panokafana teny an-toerana ny talata lasa teo. Nandritra io no mbola nanaovan’ny Masoivohon’i Etazonia Robert Yamate fanambarana mikasika ny raharaha Claudine Razaimamonjy, fa tsy tokony hisy ny fanembantsembanana ny asan’ny fitsarana, tsy tokony hidiran’ny politika sy ny tsindry ny fitsarana fa havela hanao ny asany malalaka. Mahagaga sy mahalasa saina ny tsy nisian’ny mpikambana avy tao amin’ny governemanta na ny filoham-pirenena niatrika iny fotoana iny, kanefa fiaraha-miasa ara-diplomatika eo amin’ny tany 2 tonta no nomarihina. Nandeha ny resaka fa efa nahazo toromarika avokoa ireo mpikamban’ny governemanta mba tsy hanatrika izany, ka izay ninia nandika dia naman’ny manala tena. Efa manomboka manahirana ny HVM ny fihetsiky ny Amerikanina sy ny Frantsay, ka mivoaka ny feo ankehitriny fa toa hoe kotrehina ny handroahana an’i Robert Yamate sy Véronique Vouland-Aneini noho izy ireo mijabaka loatra amin’ny raharaham-pirenena. Izay ihany koa no mety ho antony hitadiavan’ny fanjakana HVM lalana any amin’ny Sinoa sy ny Arabo satria ireo no moramora iaraha-miasa, tsy dia mivaky loha amin’ny demokrasia sy ny fanajana ny zon’olombelona ary ny fitantanana mangarahara, ary inoana fa tsy hiloa-bava toy ny Frantsay sy ny Amerikanina manoloana kolikoly avo lenta mampalaza ratsy izao repoblika faha 4 izao.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT