Politique

Masoivoho Frantsay Mitaky fifidianana tsy manavakavaka


  • Sabotsy 15 Jolay 2017

Ity fetim-pirenena ity, hoy ny ambasadaoro frantsay, Véronique Vouland Aneini, dia hanakatona taona tena namokatra tokoa teo amin’ny fifandraisan’i Madagasikara sy Frantsa, nandritry ny fandraisam-pitenenany nanokatra ny fankalazana ny fetim-pirenena frantsay tetsy amin’ny Résidence de France Ivandry omaly.

Nasiany tsindrim-peo mikasika izay ny fihaonana an-tampon’ny frankofonia natao teto amintsika ny tamin’ny volana novambra sy ny fivorian’ireo mpamatsy vola tany Parisy ny volana desambra 2016. Nanipika mazava anefa ny masoivoho Frantsay fa ilaina ny fisian’ny fifidianana madio sy mangarahara ary tsy misy fanilikilihana amin’ny 2018 fa izay no tena hahatafiditra an’i Madagasikara ao anatin’ireo firenena demokratika.Nanindry mafy ny amin’ny tokony hisian’ny fanadihadiana lalina momba ny fakana an-keriny nisesisesy teto ka hahafantarana ireo tena atidoha nikotrika azy ihany koa Rtoa Véronique Vouland Aneini.Fa noresahany ihany  koa ny fihaonan’ny filoham-pirenena Malagasy, Hery Rajaonarimampianina, tamin’ny filoha frantsay Emmanuel Macron farany teo. Teo ny firenena Malagasy no nankahery azy nanoloana ny asa fampihorohoroana tany Nice tamin’ny 14 jolay tamin’ny taon-dasa ary teo ihany koa izahay, rehefa sendra ny nanjo ity nosy ity, tahaka izay niseho tamin’ny rivodoza Enawo. Somary mahalasa saina ireo mpanara-baovao ihany moa ilay voambolana hoe “fikatonana”, indrindra raha naheno ity ambasadaoro ity niresaka ny momba ny fisokafan’ny firenentsika amin’ireo firenena afrikanina sy aziatika.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT