Politique

Masimana Manantsoa Tsy mifampatoky ny mpitondra


  • Alarobia 02 Novambra 2016

Manoloana ny filankevitry ny minisitra nidinan’ireo mpikamban’ny governemanta tany Antsiranana ny faran’ny herinandro teo dia naneho ny heviny ny mpanao politika Masimana Manantsoa.

“Tsy misy atokisan’ny mpitondra ny mpiara-miasa aminy. Tsy misy solontenan’ny fitondrana mihitsy ve any Antsiranana sy ireo faritany samihafa no voatery midina any hanao filankevitry ny minisitra ?”, hoy izy. Mila sainina ihany koa ny volam-bahoaka lany mandeha any fa zary lasa mampiaina ny vahoaka ao anaty tsy fisiana fanjakana tan-dalàna ny zava-misy. Lasa baranahina ny eto ary ny manahirana dia ny tsy fiaiken’ny mpitondra ny tsy fetezan-javatra misy. Mikasika ny zavatra natao tamin’ny Comesa fotsiny, ohatra, dia nolazaina fa ho avy daholo ny mpitondra avy amin’ny firenena mandray anjara kanefa 3 ihany no tonga. Fahombiazana no fahitan’ny mpitondra ireny, hoy izy.

Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT