Nanankarena fampitam-baovao avy any amin’ny Faritra ny hetsiky ny Ankolafy 3 tao amin’ny Magro Behoririka omaly alatsinainy 18 jolay.
Nisantatra izany i Mima avy any Toamasina izay nanambara fa : «ny sori-dalana vita fanitsiana ihany koa no eken’ny ao Toamasina”. “Ny finiavan’ny zanak’i Dada teto Antananarivo no nampijoro an’i Dada”, hoy ny filoha lefitry ny DISTIM Marovoay. “Izahay tany kosa noho ny tsy fahazoana vaovao dia nisy fotoana kivy ary nieritreritra hilavo lefona”, hoy izy. Nipoitra anefa ny marina ary mendri-piderana ny Dadantsika fa tena Dadan’ny filaminana. Toy ny faritra rehetra dia manjaka any Marovoay koa ny tsy fandriampahalemana.
Taloha tamin’ny andron’i Baba, tsy nandrasana ny omby, ankehitriny anefa dia “sur câle” ny sarety raha tsy ambenana. Teo aloha, rehefa sarotra ny fiterahan’ny vehivavy dia didina maimaimpoana ary omena “kit” ny reny, ankehitriny anefa dia jerena fotsiny ireo bevohoka rehefa tsy manana vola. Resy lahatra ny vahoaka na ireo mangetaheta fiovana fa voafitaka ka mila an’ilay Baban’ny filaminana”.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.