Politique

Marc Ravalomanana Vonona hiatrika ny safidim-bahoaka


  • Alatsinainy 20 Jona 2011

Niditra nivantana tamin’ny antso an-tariby nandritra ny hetsiky ny Rodoben’ny Malagasy ho an’ny tanindrazana tao amin’ny Magro Behoririka ny filoha Marc Ravalomanana, ny sabotsy 18 jona teo.

 Nandritra izany no nanamafisany fa tsy azo ihodivirana ny fifidianana. Hentitra anefa ny teniny nilaza fa tsy hanaiky izy sy ny mpiara-dia aminy raha tsy ny Firenena Mikambana, ny Vondrona Afrikanina ary ny SADC no mikarakara sy miasa miaraka amin’ny fanomanana sy ny fanatanterahana izany fifidianana izany. Ankoatra izay dia nanamafy ny tenany fa “vonona hiatrika ny safidim-bahoaka” amin’ny fifidianana ho avy eo. “Hatrehintsika amin’izay tena fahaizana sy fahalalana rehetra ny fifidianana sy ny hitondrana firenena”, hoy izy. “Mahafantatra tsara ny tokony hataoko aho ary efa manaiky izao tontolo izao fa tsy misy izany olona sakanana tsy hofidiana izany.”, hoy hatrany ny fanazavany. Tamin’ny teny feno fahatokisana no nilazan’Atoa Marc Ravalomanana fa tsy mampatahotra azy ny filazana fa misy didy fampisamborana ary miandry azy ny fitsarana. “Izany indrindra no antony nangatahako ny hanaovana fanadihadiana mahaleotena amin’ny zavatra nitranga nanomboka tamin’ny 2009, indrindra fa ny raharaha 07 febroary hahitana hoe iza marina no tompon’antoka ? Niarahantsika mahalala tsara fa nilaza zavatra maro ny kolonely Charles Andrianasoavina izay niara-nanongam-panjakana tamin’ireny sy ny teti-dratsy nomanin’izy ireo tamin’izany. Koa aza matahotra ianareo fa fantatro izay ataoko, izaho rahateo tsy hisangisangy ny aiko” , hoy izy.

Mikasika ny resabe ataon’ireo mpiara-dia amin’ny FAT, manohitra ny fehin-kevitra tapaky ny SADC tatsy Sandton farany teo dia fanontaniana no ataon’Atoa Marc Ravalomanana, “fa izy ireo no iza no tsy hanaraka izay tapaky ny SADC ?” Tahotra no fahitany ny fihetsik’ireo andiana mpanao politika ireo, ka mamafy lainga etsy sy eroa fa hoe raha tonga eto Madagasikara i Marc Ravalomanana dia hamalifaty azy. “Enjehin’ny eritreriny izy ireo. Izaho dia efa nilaza fa tsy anjarako mihitsy izany ary tsy hamalifaty izany aho !”, hoy izy. Notsiahivin’Atoa Ravalomanana fa firenena miisa 14 no mandrafitra ny fanitsiana ny sori-dalana niainga tamin’ny fankan-kevitra nataon’ny SADC tamin’ireo vondrona politika 11 nasainy tany Gaborone ka “ahoana no tsy hanekena an’io ?” Izay tapaky ny SADC rahateo no eken’ny Vondrona Eoropeanina, ny Amerikanina, ny Vondrona Afrikanina fa hampiharina ary vao farany teo ny Parlemanta afrikanina tatsimo no nanamafy an’izany. Na tsy nanonona anarana aza Atoa Marc Ravalomanana dia tsikaritry ny maro fa nanao valin-kafatra ho an-dRatsirahonana Norbert Lala ny tenany tamin’io sabotsy io. Nambarany fa “misy ny olona mihevitra fa mahalala ny lalàna ary efa teo amin’ny fitondrana foana hatramin’izay nefa tena manoro vohona sy mitondra ny firenena any amin’ny lavaka mangitsokitsoka. Mahalala izany ny rehetra”. Notohizany tamin’ny filazana fa “raha sahy izy dia asaivo miatrika fifidianana, ary asaivo mirotsaka hofidiana !”.

 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT