Nitsidika an’Ihazolava, tanàna eo anelanelan'Ambatolampy sy Ambohimandroso, toerana misy orinasa iray manamboatra biriky na irony antsoina hoe “parpaing” irony i Marc Ravalomanana omaly. Tanimanga sy tanimena no entina manamboatra azy ary nahavariana ny dingana arahina amin'ny fanamboarana azy ireny.
Nahita ny tsy fahita tokoa i Marc Ravalomanana ary faly tokoa nandritra ny fitsidihana nataony. Mampiasa herinaratra sy kitay ny orinasa ary mamelona fianakaviana maro eo amin'ity faritra ity. Nahafa-po azy ny fitsidihana nataony ka nahafahany nihaona sy niserasera tamin’ny olona tao amin’ny orinasa. Toetra efa nahafantarana an’i Marc Ravalomanana hatramin’izay rahateo ny tsy mihafahafa sy tsy mametraka elanelana amin’ny olona any amin’izay rehetra alehany. Sady manamafy orina ny fifandraisana amin’ny vahoaka eny rehetra eny no manampy hatrany ny traikefa sy fahaiza-manao, fa tsy miedinedina sy miavon-tsy feno ohatra ny hafa. Tsy manava-tena sy tsy te hahalala vahoaka ary tsy manangana efitra amin’ny madinika. Mametraka mazava i Marc Ravalomanana fa zava-dehibe ny fiaraha-miasa sy fifandraisana amin’ireo mpandraharaha Malagasy sy ireo mpandraharaha eto Madagasikara ka izay no anton’izao fitsidihana izao. Izay ihany koa no lalan-tokana hahafahana manavotra sy manarina an’i Madagasikara. Misy ny olona sasany mantsy rehefa akaiky fifidianana na ao anaty propagandy vao milaza azy ho olon’ny fiarahamonina sy olon’ny vahoaka ary mampanantena paradisa mihitsy. Mametraka mazava i Marc Ravalomanana fa olon’ny vahoaka, avy amin’ny vahoaka izy ary vonona hatrany hiasa ho an’ny vahoaka Malagasy. Mety nisy ny fahadisoam-pijery tamin’ny zava-nitranga teto ny taona 2009 , saingy samy mahatsapa ny tsirairay izao fa i Marc Ravalomanana no mahavita azy sy sahy mijoro miaro ny tombontsoan’i Madagasikara sy ny Malagasy. Ny zava-dehibe dia ny famelana an-kalalahana ny tsirairay hirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena, raha tena mahatoky tena sy mahatsapa ho mamim-bahoaka ny mpitondra ankehitriny fa tsy manao ady an-kanosana. Raha tena manan-kambo ihany koa dia havela hisokatra malalaka ny haino aman-jery rehetra mba hitovian’ny tsirairay avy fa matoa mbola sakanana sy hanaovana antsojay dia misy atahorana mafy izany ao e !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.