Mitohy hatrany ny fanararaotana ataon’ireo manana ny fahefana, hoy Atoa Marc Ravalomanana raha nanontaniana momba ny didim-pitsarana manasazy azy hanao asa an-terivozona mandra-pahafaty mikasika ny raharaha 7 febroary.
Tsy dia raharahain’ny fanjakana tsy ara-dalàna ny tena zava-nisy, hoy ny filoha Ravalomanana ary dia nahitsy ny filazany fa dia voakolikoly ny fitsarana eto amintsika. “Nangataka ny tokony hanaovana fanadihadiana iraisam-pirenena momba iny raharaha 7 febroary iny aho tao anatin’izay 18 volana izay”, hoy Atoa Marc Ravalomanana. “Nangataka ny SADC sy ny Vondrona Eoropeanina, mba hanao izany”, hoy ihany Ravalomanana. Fanontaniana maro àry no napetrany toy ny hoe nahoana no nisakana ny hanaovana io fanadihadiana iraisam-pirenena io ny FAT ? Noho ny hoe ve avy any an-damosina no nahavoa ny ankamaroan’ireo olona voatifitra teny Ambohitsorohitra tamin’iny sabotsy iny ? Sa ve hoe nahitana diam-bala ny rindrina anoloanan’ny lapam-panjakana, izay midika fa nisy nitifitra avy any ivelany mankany amin’ny Lapa ? Sa ve, hoy ihany Atoa Marc Ravalomanana, noho ny tenako tsy tao an-toerana tamin’ny fotoanan’ny fitifirana… Teny fampieritreretana moa no nataony fa “raha mbola eo amin’ny fanjakana io fitondrana io dia tsy hivoaka mandrakariva ny marina kanefa dia ilain’ny vahoaka Malagasy ny mamantatra izay fahamarinana izay”.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.