Politique

Marc Ravalomanana « Tsy voafehy ny filaminana sy ny kolikoly eto »


  • Alatsinainy 15 Mey 2017

Mitohy hatrany ny fitetezam-paritra ataon’i Marc Ravalomanana any Eoropa. Nisy ny resaka nataony tamin’ny mpanao gazety Alemana ny faran’ny herinandro teo ka nanazavany ny zava-misy marina eto Madagasikara.

 

 Nambarany fa tsy voafehy ny filaminana sy ny kolikoly ka io no mahatonga ny mpamatsy vola malaina ny hampiasa vola be aty Madagasikara. Hita taratra tokoa tamin’ny dinika ara-politika tany Antsiranana sy teny Mahazoarivo fa manindry mafy ny tokony hanamafisana ny ady amin’ny kolikoly, ny fametrahana ny fandriampahalemana ary ny mangarahara amin’ny fomba fiasa ireo mpiara-miombon’antoka amin’i Madagasikara tahaka an-dry zareo ao amin’ny vondrona Eoropeanina sy ny Amerikanina, ohatra. Mifampiankina mantsy ny sosialy sy ny politika ary ny toekarena ka rehefa tsy voafehy ny iray amin’ireo sehatra ireo dia tsy mirindra na tsy misy mihitsy ny asa fampandrosoana. Ankoatra izay dia nihaona tamina mpandraharaha maro tany Hambourg sy Francfort mbola any Alemaina ihany koa i Marc Ravalomanana, anisan’ny delegasionina miara-dia aminy any moa ny zanany mirahalahy dia i Josoa sy Maika Ravalomanana, izay efa samy miara-miasa akaiky amin-drainy amin’ny resaka fitantanana sy fifampiraharahana iraisam-pirenena amina mpiara-miasa na mpamatsy vola.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT