Politique

Marc Ravalomanana « Tsy misy ni…ni izany eo »


  • Alarobia 22 Febroary 2017

Efa eto aho izao, hoy ny filohan’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), Marc Ravalomanana, raha namaly ny fanontanian’ny mpanao gazety mikasika ny feo mandeha fa efa misy sahady ny sakantsakana isan-karazany mba tsy hilatsahany hofidiana ho filoham-pirenena amin’ny 2018.

 Tamin’ny taona 2013 no tsy teto aho dia nisy an’izany. Ny sehatra iraisam-pirenena mihitsy no efa nilaza fa tsy misy azo sakanana tsy hilatsaka izany eo. Tadidio fa ny 90%-n’ny vola miasa eto amintsika dia avy amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena avokoa. Marina fa manana ny fiandrianany ny firenena. Aiza anefa no hahitantsika loharanom-bola sy traikefa hanaovana fifidianana eo raha tsy misy ny fiaraha-miasa amin'ny fianakaviambe iraisam-pirenena  ? Ny fanilihana kandida dia midika avy hatrany fa fahatapahan'ny famatsiam-bola satria ao anatin'ny fepetra napetraky ny mpamatsy vola ny fifidianana hahafahan'ireo mpitarika politika.Sokajiana ho antoko lehibe eto Madagasikara rahateo ny Tiako i Madagasikara sy ny vondrona Mapar. Efa eto aho, hoy i Marc Ravalomanana, izao ka tsy misy hanaiky "ni…ni" izany eo. Nanamafy moa ity filoham-pirenena teo aloha ity fa aleo hajaina ny tetiandro, izany hoe tanterahana amin'ny 2018 ny fifidianana, efa tra-pahasahiranana loatra ny vahoaka ka tena laharam-pahamehana ny fitadiavana fandriampahalemana. Ahoana, hoy izy, no hanafoanana ireny vono olona etsy sy eroa ireny fa toy ny tany tsy misy fanjakana eto. Mikasika ny mety ho  fandraisan’anjaran’ny antoko TIM raha misy fanovana governemanta moa dia nilaza mazava i Marc Ravalomanana fa miankina amin’izay fifanarahana misy eo izany. Mila mifanaja fotsiny, hoy izy, ary ny hanatsara fiainam-bahoaka no tanjona. Efa hitan’ny any ivelany fa mizarazara loatra ny fiarahamonina eto ary lasa mifanaratsy sy mifankahala ny mpanao politika dia avy eo ny vahoaka no iharany. 

Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT