Politique

Marc Ravalomanana “Tsy matahotra fisamborana aho”


  • Zoma 14 Jolay 2017

“Roso ny dia, tsa mipody intsony !”. Tapa-kevitra Atoa Marc Ravalomanana fa hijoro hanavotra ny firenena sy hamaky ary hanampy ny Malagasy.

 

“Tsy matahotra ny hosamborina velively  aho”, hoy izy omaly teny Analakely ary mbola nampiany hoe : “izaho manara-dalàna indray ve no hosamborina ? ”. Fantatra ihany koa fa nihaona sy niresaka tamin’ny masoivohon’i Frantsa sy Etazonia tamin’ity herinandro ity i Marc Ravalomanana. Nambarany ny marina momba ny hetsika fanamarihana ny faha-15 taonan’ny TIM ny sabotsy lasa teo sy ny zavatra rehetra nitranga talohan’iny. Tsy maintsy natao ireny mba tsy hihaino feon-dakolosy tokana izy ireo, hoy ny filoha nasionalin’ny Tiako I Madagasikara. Nahatalanjona ny fianakaviambe iraisam-pirenena iny zava-niseho iny ary hita taratra tamin’ny fampitam-baovao iraisam-pirenena ny sabotsy 8 jolay, hoy hatrany izy. Tsy hihemotra aho fa miroso hatrany. Mikasika ilay eritreritry ny CENI amin’ny famerana ny vola ampiasain’ny kandida tsirairay  avy amin’ny fifidianana filoham-pirenena manaraka eo dia milaza ho tsy mahita olana ny tenany. Tsy mampaninona ahy izany, aleo ny vahoaka no hifidy izay tiany, ho hita ny tena tiany, eny fa na tsy ampy hoenti-manana aza ary ny vola eo am-pelatanany no hanaovany fampielezan-kevitra”. Nisaotra sy nankasitraka ny mpitarika sy mpikambana ao amin’ny TIM ary ireo mpanara-dia azy rehetra tamin’ny fahamatorana sy fahendrena nasehon’izy ireo ny sabotsy lasa teo izy ary nanamafy fa hitohy ny fankalazana. Anisan’ireo nahazo fanasana ka hanatrika ny lanonana momba ny fetim-pirenena Frantsay eny Ivandry anio ny tenany sy Rtoa Lalao Ravalomanana vadiny izay Ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT