Politique

Marc Ravalomanana Tsy matahotra fifidianana ny TIM


  • Alakamisy 23 Febroary 2017

Mitaky fifidianana demokratika, mangarahara sy tsy manavaka ny fianakaviambe iraisampirenena ary miandrandra voka-pifidianana lavitry ny hala-bato sy safidim-bahoaka malalaka tsy misy fanodinkodinana ihany koa ny olom-pirenena,

hoy ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc nandritra ny tafa nataony tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely omaly. Nohamafisin’i Dada indray tamin’io fotoana io ny maha kandida filohan’ny Repoblika azy amin’ny taona 2018. «Aleo handeha ny fifidianana fa tsy matahotra ary vonona hisedra ny fandatsaham-baton’ny fiaraha-monina Malagasy ny antoko Tiako I Madagasikara», hoy ny filoha nasionaliny. Mazoto ary resy lahatra amin’ny fampihavanam-pirenena ireo filoham-panjakana teo aloha nifandimby rehetra fa ny fanjakana no miahotra. Miteraka ahiahy amin’ireo mpiara-miombon’antoka io tsy fisian’ny finiavan’ny mpitondra fanjakana Malagasy io hany ka tena bitika ny vola azontsika amin’ny fanomanana fifidianana, hoy hatrany ny filoha mpanorina ny antoko TIM. Nanodidina ny 150 tapitrisa dolara ohatra ny tetibola lany tamin’ny fikarakarana ny fifidianana tao amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo.

Andohatapenaka

Niresaka fohy mikasika ny lafiny fitantanana ny kaominina Antananarivo renivohitra ny mpanolotsaina manokan’ny ben’ny tanàna. Tsy mitombina ny didy noraisin’ny filankevi-panjakana nanafoana ny fanapahan-kevitra efa nankatoavin’ny mpanolotsainan’ny tanàna mikasika ny tany eny Andohatapenaka, hoy i Dada Ravalomanana. Hiroso amin’ny fampiantsoana fivoriana ny filan-kevitry ny tanàna fanindroany indray hanapahan-kevitra momba azy io moa ny Fiadidiana ny tanànan’Antananarivo, araka ny tinapaka omaly.

Ramano F.


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT