Politique

Marc Ravalomanana “Tsy maintsy miroso isika”


  • Alatsinainy 24 Oktobra 2016

Tany Antsirabe ny sabotsy lasa teo ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Voaasa nanatrika diabe sy fitokanana fotodrafitrasa vaovao tao amin’ny Fjkm KA MA FA Antsirabe moa izy.

 

 Nisy ihany koa ny dia be niarahany tamin’ireo tanora tany an-toerana, dia an-tongotra namakivaky an’Antsirabe. Nahafinaritra ny olona ny nahita an’i Dada mirana sy mitsika ary afaka miresaka amin’ireo rehetra mifanena aminy eny an-dalambe eny. Nitaingina bisikileta i Marc Ravalomanana nandritra izao diany tany Antsirabe izao. Dia niverina tao an-tsain’ny maro fa avy nitondra sy nanatitra ronono tokoa izy no lasa filoham-pirenena sy anisan’ireo Malagasy mahira-tsaina sy manana vina goavana hampandrosoana ny fireneny. Mbola hita taratra hatrany ny fitiavan’ny olona azy sy ny fanantenana fa tsy maintsy ho avy ny fotoana hiverenany indray amin’ny fitantanana ny firenena ka hanohizana ny asa efa natomboka sy ny zava-baovao tsy maintsy atrehana. Izay mahavangivangy tian-kavana, hoy ny fomba fiteny. Ilaina ihany koa ny mifanatrika mivantana amin’ny vahoaka fa tsy mihidy aman-trano mandrafitra paikady ambony latabatra fotsiny kanefa avy eo tsy mifanojo amin’ny tena filan’ny vahoaka akory. Izany no antony hitetezako ny faritra rehetra eto Madagasikara, hoy i Marc Ravalomanana. Mila miasa miaraka isika ary tsy maintsy miroso hatrany. Tsy fehezanteny  atao kabary fotsiny izany fa asa tsy maintsy tanterahana. Noporofoin’i Dada indray fa tena mbola ao tsara izy na ara-batana  na ara-tsaina ary vonona hiatrika ny fifidianana filoham-pirenena ho avy manaraka eo.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT