Politique

Marc Ravalomanana «Tsy hivadi-belirano amin’ny Malagasy aho»


  • Alakamisy 03 Janoary 2013

Elaela tsy nandrenesam-peo ny filoha Marc Ravalomanana. Tamin’ny alalana tafa tamin’ny mpanao gazety vahiny, tany Tanzania ny 11 desambra 2012 no nahenoana azy farany.

 Tamin’izay no nilazany fa tsy hirotsaka amin’ny fifidianana ho avy eo ny tenany. Omaly alarobia 02 janoary kosa anefa dia nivoaka tamin’ny fahanginany ny lehilahy. Ankoatry ny fisaorana an’Andriamanitra tamin’ny nahazoana izao taona vaovao 2013 izao dia nirary soa sy niarahaba ny vahoaka Malagasy koa ny tenany nahatratra ity taona vaovao 2013 ity. Hahafahana miaina, manatanteraka ny asa aman’andraikitra apetraka amintsika ity taona 2013 ity, hoy izy. “Enga anie ity taona 2013 ity ho taona hahatanteraka ny fitakiana ny ara-dalàna, ny fandalana ny demokrasia, hampanjakana ny rariny sy ny hitsiny, hahafahan’ny olona rehetra, ny vahoaka Malagasy hiala amin’ny hirifiry.

Tonga ny fotoana ry Malagasy hahafahana mieritreritra sy mandinika lalina ary dia miantso ny Malagasy tsy ankanavaka aho hihaino ny feon’ny fieriteretana, eo koa ny amin’ny fanajana ny zo aman-kasin’ny maha olombelona”, hoy ny filoha Marc Ravalomanana. Ankoatra izay dia niarahaba ny mpandala ny ara-dalàna koa ny tenany amin’ny faharetana sy ny hafanam-po. “Minoa ahy ianareo fa tsy maintsy tafaverintsika amin’ny laoniny ny fiainam-pirenena. Manàna finoana sy fanantenana. Tsy ho ela dia ho avy i Dada”, hoy ihany izy.

Nambarany fa tsy azo sandaina vola ny tenany ary miezaka mafy amin’ny fijerena izay hamerenana ny fiainan’ny Malagasy amin’ny laoniny. Ho avy ny fotoana hahafahana manandratra ny voninahitr’i Madagasikara, hiara-kiasa isika, hoy izy. “Aza manahy fa tsy hivadi-belirano amin’ny Malagasy aho fa hanao izay azoko atao rehetra. Matokisa ahy”, hoy ihany ny filoha mpanorina ny orinasa Tiko izay nanantitrantitra fa tsy ho ela dia hihaona amin’ny vahoaka Malagasy ny tenany. Nanteriny ihany koa ny fahatokisany ny Troika sy ny Sadc amin’ny fanampiana sy ny tantsoroka amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny hasin’i Madagasikara sy ny ara-dalàna eto amin’ny firenena. Fifanajana, fifampatokisana, fanantenana ary indrindra finoana no hangatahiny amin’ny Malagasy tsy ankanavaka rehetra.

Soa 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT