Nandritra iny herinandro lasa iny dia in-telo niditra mivantana tamin’ny alalan’ny antso an-tariby, tao amin’ny Magro Ankorondrano, ny filoha Marc Ravalomanana.
Nahitsy dia nahitsy ny kabariny sabotsy lasa teo. Karazana valin-kafatra amin’ny filazan’i Andry Rajoelina, filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, fa firenena manana ny fiandrianany i Madagasikara ary masi-mandidy amin’ny taniny ny Malagasy ka tsy tokony hitsabahan’ny vahiny. Nantitranterin’ny filoha àry fa dia «tsy ampy ny fahalalany (Andry Rajoelina) ny atao hoe : ‘souveraineté’». Fanampiana ara-materialy, ara-kevitra no omen’izao tontolo izao fa tsy fitsabahana, hoy izy. Tsy ireo vahiny no mampandefa olona hifidy aty Madagasikara. Mila fanampiana sy fiaraha-miasa isika, na ara-kevitra na ara-bola, saingy izany tsy midika ho tsy fananana ny fiandrianam-pirenena. Fitiavan-tanindrazana, hoy ihany Ravalomanana no antony nanasoniavana ny fifanarahan’i Maputo sy ny tovana tany Addis Abeba. Nohamafisiny fa tsy noterena nanao izany sonia izany ireo filohan’ny ankolafy efatra. Notsiahiviny fa tany amin’ny taona 1947 tany dia niady mafy ho fahafahana an’i Madagasikara ireo raiamandreny. « 63 taona lasa izay ka tsy hisy hanaiky hozanahana fanindroany eto intsony», hoy ihany izy. Nampirisika ny Malagasy moa ny tenany hijoro hatramin’ny farany hamerenana ny maha tany tan-dalàna an’i Madagasikara. «Tsy matoky ireo mpitondra ankehitriny ireo mpamatsy vola sy mpiray ombon’antoka», hoy ihany i Marc Ravalomanana. Rehefa tafaverina anefa ny ara-dalàna, araka ny fanazavany, dia tafaverina avy hatrany ireo fifanarahana, toy ny AGOA, sy ireo mpamatsy vola. Tetsy an-danin’izany dia nambarany ihany koa fa dia ho avy ny andro tsy maintsy hamantarana ny marina, ary haneken’ireo manda ankehitriny fa naka ny vola tokoa izy ireo.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.