Nitondra ny heviny mahakasika ny raharaham-pirenena mafampana amin’izao fotoana izao ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana omaly.
Velom-panontaniana ny tenany ary tsy nisalasala nananambara ny antony tsy ifampiresahana an-databatra boribory. Manoloana ny fahamaroan’ny hetsi-pitakiana eto amin’ny firenena dia nilaza ny tenany fa tsy omena tsiny satria tsy misy mihaino sy tsy misy mandray ny fitakiana, fanehoan-kevitra toa miantefa any amin’ny mpitondra mba hanova ny fihetsika mbola minia midingin-drambo. Mahakasika ny fivoizana resaka momba ny tokony hisian’ny fifidianana mialoha ny fotoana dia nambarany fa mila arahina ny lamina ara-demokratika ary miankina amin’ny fifandresen-dahatra sy fifampitokisana eo amin’ny vahoaka sy ny mpitondra no hahafahana manao izany. Ilaina ihany koa ny andraikitry ny fianakaviambe iraisam-pirenena, hiantohana ny fifidianana tsy mitanila sy andraisan’ny rehetra anjara. Tsy tokony hirotorotoana ny fanapahan-kevitra iray izay iankinan’ny ain’ny firenena ka nohamafisin’Atoa Marc Ravalomanana fa tsy azo teren-ko masaka ny politika fa misy fifanarahana masaka tsara mila apetraka.
Tondrozotra
Mbola nanantitra ny tokony hampiharana an-tsakany sy an-davany ny voalazan’ny tondrozotra izay niarahana nanao sonia Atoa Marc Ravalomanana. Nampahatsiahiviny ny tokony hanonerana ny fananany simba sy norobaina tamin’ny taona 2009 izay voarakitra ao anaty tondrozotra ny fanonerana izany. Tsy mbola milamina ny resaka tanin’ny Magro sy ny Tiko hifanolanana amin’ny Antenimieran’ny varotra izay mila fijerena akaiky. Nanambara moa ny tenany fa tsy hipetra-potsiny amin’ity raharaha ity.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.