“Tandremo ny misaratsaraka, hamafiso ny fiarahana sy ny fihavanana, satria tombontsoam-pirenena izao ataontsika izao. Tandremo ny fitiavan-tena ka mamitaka ny vahoaka, zanak´Andriamanitra izy ireo, ka heloka bevava ny mamitaka azy. Ho avy ny fanalana ny Malagasy rehetra ao anatin´ny fahantrana mianjady aminy vokatry ny krizy izao, ary nahatapaka ny famatsiam-bola avy any ivelany”.
Ampahany tamin’ny lahateny nataon´ny filoha Marc Ravalomanana an-tariby tao Toamasina, nandritra ny fihaonana nataon´ny ankolafy Ravalomanana tao amin´ny “Foyer Social Canada” Anjoma ny sabotsy tolakandro teo io. Nohamafisin´ny filoha Ravalomanana fa mifampiresaka amin´ireo mpamatsy vola izy amin´ny ho fanampiana an´i Madagasikara aorian´ny fametrahana ny tetezamita tena izy sy iarahan´ny rehetra. “Mila maharitra nefa isika fa tena kely sisa izany, ka ny tonga miaraka dia fanombohana ihany, fa ny miasa miaraka no fahombiazana, koa hamafiso ny firaisankina sy ny fihavanana ary ny firaisan-tsaina na tsy mitovy aza ny hevitra”, hoy izy. Ireo mpiara-mitolona ao Toamasina, nahitana an-dry Iandro Robertson kosa dia nanamafy fa asa masina ny fanavotam-pirenena, ka mila mitandrina fa be ny fahavalo te hampiady sy hampisaraka. Ho an-dRalaiseheno Guy Maxime sy Henri Randrianjatovo kosa, dia tsy nisalasala nilaza fa “tapi-dalan-kaleha ny FAT, natao daholo izay hamadihana ny marina, mpitolona mananika ny 250 nogadraina, nialana ny sonia natao, notambazana mba hivadika ny mpiara-mitolona sasany, nefa ny mpitaky ny ara-dalàna dia mbola indreto ihany, ary vao mainka aza nohamafisin´ny vondrona iraisam-pirenena ny fitakiana natao”. Ankoatra izay, dia voafidy sy voapetraka ary nampahafatarin´Atoa Rasamimaka Mahefalahy, mpandrindra ny ankolafy Ravalomanana Toamasina, nandritra ny fihaonana ny sabotsy 30 jolay io koa ireo mpikambana ny COM.MR Toamasina I, izay ahitana mpikambana fito isaky ny boriborintany, izay miisa dimy ao Toamasina.
Rakoutou
Sary : Fihaonan’ny ankolafy Ravalomanana tao amin’ny “Foyer Social Canada” Anjoma Toamasina
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.