Politique

Marc Ravalomanana tao Antsirabe “Ho avy aho hanarina an’i Madagasikara”


  • Alatsinainy 08 Aogositra 2011

“Tsy ho avy hanakorontana aho fa ho tonga hiara-mitady ny vahaolana ho an’ny vahoaka Malagasy”, hoy ny Filoha Marc Ravalomanana raha niditra tamin’ny antso an-tariby nivantana, nandritra ny hetsiky ny Legalista tao amin’ny kianjan’ny Magro Avaratsena Antsirabe ny sabotsy 06 aogositra teo.

 Ankoatra izay dia nanamafy ny tenany fa samy mahay mamaky teny avokoa ka tokony hahay ny dikan’ny fehin-kevitra navoakan’ny CPS nivory any Addis Abeba, ny 09 jolay farany teo fa tsy maintsy asiam-panovana ny sori-dalana ary tsy maintsy ankatoavin’ny rehetra vao miroso amin’ny tetezamita tena iraisana. Antoka ho an’ny filaminana sy fandriampahalemana ho an’ny vahoaka, hoy izy ny fanatanterahana ny sonia ary na ho aiza na ho aiza dia tsy afa-miala amin’ny vondrona iraisam-pirenena ny Malagasy ary tsy maintsy miara-miasa amin’ireo mpamatsy vola toy ny Banky iraisam-pirenena, ny Tahirimbola iriasam-pirenena, Banky Afrikanina, … Fantatro, hoy ny Filoha Ravalomanana, ny fitaintainan’ny vahoaka Malagasy amin’izao fotoana izao satria tsy misy ny fandriampahalemana fa manjaka ny dahalo vokatry ny krizy.

Tsy fotoanan’ny fifankahalana sy ny fifanaratsiana intsony izao fa efa tokony hijery izay mahasoa ny vahoaka amin’izay ary mamerina ny filaminana sy fandriampahalemana dia atao ny fampihavanana izay vao miroso amin’ny fifidianana iraisan’ny rehetra manomana ka raha izay fifidianana kaominaly sy rezionaly dia tsy ahazoana izay fankatoavana iraisam-pirenena izany mihitsy satria tsy mbola miaina anaty demokrasia i Madagasikara izao fa ny jadona no manjaka, hoy izy. Tokony hieritreritra, hoy hatrany ny filoha Marc Ravalomanana, ireo olom-bitsy izay nahazo toerana amin’izao fotoana manoloana ny fahoriam-bahoaka fa tsy faly amin’izay tombontsoa kely ka maniry ny hahalava ny tetezamita fotsiny. Tsy afaka hirehareha, hoy izy ny mpitondra fa mbola misy vola hampihodinana ny firenena ao satria mahatratra 380 tapitrisa euro ny fanampiana azontsika avy any ivelany hampandehanan-draharaha ka mandainga izay milaza fa manana izany intsony amin’izao fotoana ka izay no tsy maintsy iaraha-miasa amin’ireo vondrona iraisam-pirenena. “Tsy hamela ny vahoaka Malagasy ho fadiranovana aho”, hoy izy ary “ho avy hamerina ny fiainan’ny vahoaka amin’ny laoniny”. “Aza  matahotra fa tsy ho ela dia hifanatri-tava isika”, hoy izy namarana ny teniny.

 

Caïus R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT