Niala tamin’ny fahanginany ny filoha Marc Ravalomanana sady filohan’ny Ankolafy Ravalomanana rahateo. Tsy niandry ela fa ny alarobia 13 oktobra, ny ampitson’ny nanambaran’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita ny fijoroan’ny Kongresin’ny tetezamita sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita ihany izy dia naneho ny heviny mazava mikasika ny fisehoan-javatra amin’izao fotoana izao.
Mikasika ireo rafitra samihafa najoron’ny FAT dia mazava ny tenin’ny filoha Marc Ravalomanana nanoloana ireo olona an’arivony tonga tao amin’ny Magro Behoririka omaly fa izao tontolo izao mihitsy no miray feo fa tsy maintsy ifanarahan’ny rehetra ny fanendrena mpikambana anatin’ireny andrimpanjakana ireny ary rafitra tsy mitanila na miandany amin’ny atsy na aroa izany. Nanamafy izy fa tsy ekena ny fanapahan-kevitra tari-tokana. Fa nahitsy ary hentitra ny fanambaran’ny filoha Marc Ravalomanana mikasika ireo olon’ny antoko Tiako I Madagasikara, nanaiky hiara-hiasa ka notendren’i Andry Rajoelina ho mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita. Nanala tena ireo olona nanapa-kevitra ka nandeha tamin’ny nahimpony na mandeha amin’ny anarany manokana, ka tsy mahazo miteny amin’ny anaran’ny TIM na Ankolafy Ravalomanana.
Sambany no nilaza ampahibemaso izany ny filoha Ravalomanana. Nanome aina ary nahavelombolo ireo tsy mivadi-belirano manara-dia azy sy manaraka ny toromarika avy aminy io fanambarana io. Nanamafy izay fanantenan’ny mpikambana TIM sy ireo mpiara-dia ao amin’ny Ankolafy Ravalomanana izay ny filazany fa miresaka sy midinika andro aman’alina amin’ireo firenena maro, indrindra ny eo anivon’ny SADC ny tenany, mitady vahaolana sy lalana hivoahana amin’izao fahasahiranana mahazo ny vahoaka Malagasy izao. Tsy maintsy atao ny hiverenan’ny ara-dalàna, hoy izy. Natsidiny fa hisy ato ho ato hetsika hataon’ireo Parlemantera TIM, ka nanentanany ireo mpiara-dia aminy hiray hina sy hiara-hientana amin’izy ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.