Politique

Marc Ravalomanana tany Frantsa Nahaliana tokoa ny « Diaspora Malagasy »


  • Alatsinainy 27 Martsa 2017

Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny fihaonan’i Marc Ravalomanana tamin’ireo Malagasy monina sy miasa any Frantsa. Tao Paris renivohitra sy tany Toulouse no nanaovana ny fihaonana ary tonga maro be hatrany ireo Malagasy nanatrika.

Tontosa ny  faran’ny herinandro teo ny fihaonan’i Marc Ravalomanana tamin’ireo Malagasy monina sy miasa any Frantsa. Tao Paris renivohitra sy tany Toulouse no nanaovana ny fihaonana ary tonga maro be hatrany ireo Malagasy nanatrika. Nitantara ny zava-misy eto Madagasikara, ny vina sy ny eritreriny amin’ny hanarenana ny firenena ity filoha teo aloha ity nandritra ireo fihaonana ireo. Tsy adinony ihany koa ny nanentana ireto « Diaspora Malagasy » ireto mba tsy hanadino ny tanindrazana, izy izay porofo mivaingana satria sesitany nandritra ny enin-taona izy no nikaroka ny fomba rehetra tsy maintsy hodiany taty Madagasikara mba hahafahany mitondra ny anjara birikiny amin’ny fanavotana ny firenena. Tsapa fa tena nahaliana ireo Malagasy any Frantsa ny famelabelaran-kevitra nataon’i Marc Ravalomanana ary maro izy ireo no mahita fa hatreto aloha dia i Dada no hita fa nahavita zavatra matotra teto sy azo antenaina fa mbola hahavita zavatra tsara kokoa amin’ny manaraka. Tsy politika avo lenta no resaka eto fa tena tetikasa sy ny hanatanterahana azy, ny loharanom-bola, ny handray andraikitra. Efa manana valin-teny mahafa-po amin’ireo i Marc Ravalomanana ka izay no hahasahiany mirotsaka hidiana filoham-pirenena amn’ny 2018.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT