Politique

Marc Ravalomanana sy ny fifidianana ho avy Mbola manantena i Magro fa «1er tour» de vita


  • Alatsinainy 04 Jolay 2011


 Nanakoako tetsy amin’ny Magro Behoririka indray tamin’ny sabotsy ny resaka «1er tour de vita» ho an’ny Filoha Ravalomanana. Asa manaraka hosahanina izany, hoy i Dominique, rehefa ho vita tsy ho ela ny tolona ary ho tratra ny tanjona dia ny fampodiana an-dRavalomanana an-tanindrazana sy ny filatsahany ho fidiana indray. Nanamafy izany i Manoela tamin’ny filazana fa : hivoha ny trano etsy Faravohitra, ravana daholo ny rafitra misy ary «1er tour» io dia vitan’i Dada. Mila antsika mivonona na andro na alina fa efa akaiky ny andro andrasana, hoy i Camille Mektoub. Raha i Andry Rajoelina no andrasana hitondra fampandrosoana dia adino eto i Madagasikara, hoy ny Depiote Zafilahy Stanilas ela ela tsy tazana tao amin’ny Magro.

Atanjaho ny finoana fa na inona na inona ataon’ny mpanao «business» politika dia tsy maintsy azo ny tanjona. Io no mampikoropaka ny FAT etsy sy eroa satria matahotra izy ireo. Efa teniko teto an-kianja ilay hoe mitandrema ianareo manamboninahitra na akaiky an-dRajoelina fa rehefa may ny lambany dia ianareo no ho lasibatra, io tokoa ilay izy. Tsy ho ela dia hanitsaka ny tanin’i Madagasikara ny Filoha Marc Ravalomanana. Mila hafanaina ny afo kitay fa hody amin’ity volana jolay ity izy. Ho hitanareo ny avoakan’ny 6,7,8 jolay izao satria tsy manaiky i Afrika ny hanaovana ho modely ratsy an’i Madagasikara. Demokrasia no resahan’i Amerika fa tsy mitanila izy sanatria. Nikatona koa ny ambasadin’i Norvezy, tsy ny FAT no nanakatona azy fa sitrapony satria mahatsapa izy ireo fa mahazo laka ny kolikoly nefa izy ireo no tena nanampy ny ady amin’izy io ary nihemotra ilay fampianarana ho an’ny daholobe (Education Pour Tous)”, hoy i Zafilahy

namarana ny teniny.
Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT