Ela niandrasana izay didy havoakan’ny Filankevi-panjakana na “Conseil d’Etat” izahay, hoy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Mba ela loatra, ka mampierireritra, raha fitoriana napetraka tamin’ny 2015 hatramin’izao tsy voatsara.
Ela niandrasana izay didy havoakan’ny Filankevi-panjakana na “Conseil d’Etat” izahay, hoy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Mba ela loatra, ka mampierireritra, raha fitoriana napetraka tamin’ny 2015 hatramin’izao tsy voatsara. Notsiahivin’ny filoha nasionalin’ny antoko Tiako i Madagasikara, ny sabotsy teo nandritra ny fambolen-kazo notanterahin’ny antoko Tiako i Madagasikara tao Arivonimamo fa efa nisy ny fihaonany tamin’ny Filoha Hery Rajaonarimampianina momba ity raharaha ity, ary nanaiky ity farany ny ho fanokafana ny haino aman-jery MBS (Malagasy Broadcasting System) ary noho izay filazan’ny filoha izay no nampiatoana ny hetsiky ny momba ny ara-dalàna tao amin’ny Magro Behoririka, koa “tokony hamoaka ny heviny ny Filankevi-panjakana mialoha ny handraisanay fanapakahan-kevitra”, hoy i Dada.
Nomarihin’Atoa Marc Ravalomanana, fa raha navela nisokatra ny haino aman-jery MBS, mety tsy ho toy ireny ny fahavoazana nateraky ny rivodoza Enawo satria ampy ny serasera. Miara-miory sy maneho firaisankina amin’ireo niharam-boina sy traboina noho ny rivomahery Enawo nandalo farany teo, teto amintsika izy ny antoko tarihany. Vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro ny zavatra toy ireny hoy izy, noho izany mila mitandrina sy miomana mialoha ho fiatrehana ireny. Mikasika izay indrindra, dia mantso ny “Conseil d’état” ny filohan’ny TIM Marc Ravalomanana hitsara ny raharaha MBS. Efa naseho ny fianakaviambe iraisam-pirenena hoy ihany ny filohan’ny TIM ny antontan-taratasy fitoriana momba ny raharaha MBS eny amin’ny filan-kevi-panjakana, ary any amin’ny mpisolovava koa izany. Noanteriny fa tsy manana fomba hifaneraserana amin’ny mpomba azy izy raha tsy misokatra ny MBS, noho izay antony izay, mety heverina indray ny fihaonana isan-kerinandro mba hifampitam-baovao sy hifaneraserana amin’ny mpikatroka. Nambarany tamin’ireo mpikatroka TIM tany Arivonimamo ny tokony hitsarana haingana io raharaha MBS io satria mandringa amin’izao fotoana ny demokrasia eto Madagasikara, maro hoy izy ireo haino aman-jery misokatra ankehitriny, nefa nahoana no tsy havela hisokatra ny MBS? Tsy hanao fihantsiana izahay ao, na hiteniteny foana hoy i Dada namarana ny lahateniny.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.