Politique

Marc Ravalomanana «Sarintsarim-pahaleovantena no iainan’ny Malagasy»


  • Alatsinainy 28 Jona 2010

26 jona faha-2, taorian’ny fanonganam-panjakana, ka tsy nahateto an-tanindrazana ny filoha teo aloha, Marc Ravalomanana iny 26 jona 2010 iny, nanamarihana ny faha-50 taona nahazoana ny fahaleovantena sy faha-50 taona ny tafika malagasy ihany koa.

Niditra nivantana tamin’ny antso an-tariby tao amin’ny Magro Behoririka ny tenany io 26 jona io  nankahery ny Malagasy nahatratra izany fetim-pirenena izany. «Tsy maintsy tafita isika ary betsaka ny fanantenana fa aza matahotra ianareo», hoy izy nampahery ny vahoaka marobe tonga teny an-toerana nanamarika ny 26 jona, araka izay fomba heverin’izy ireo fa mendrika ho amin’izany. «Hitan’izao tontolo izao ny manjo ny Malagasy taorian’ireny fanonganam-panjakana ireny», hoy i Marc Ravalomanana. «Tany tsy misy fanjakana, ary tany tsy fehezin-dalàna i Madagasikara amin’izao fotoana izao», hoy izy ary «ny fitsarana dia lasa fitaovana famoretana. Na ny mahaolona aza dia voahosihosy, rava ny fiarahamonina», hoy ihany izy, raha nanoritsoritra ny zava-misy ankehitriny. «Raha miezaka milaza ny marina ny mpanao gazetydia nogadraina, anisan’ireny ireo mpanao gazetin’ny radio Fahazavana izay mbola any am-ponja hatramin’izao», hoy izy.

Ankoatra ireo mpanao gazety dia nambaran’ny filoha Ravalomanana fa “miaramila 48 miampy sivily 163 no any am-ponja ankehitriny”. Nambarany moa fa dia manara-maso akaiky azy ireo ny fianakaviambe iraisam-pirenena sy ny tenany manokana. “Mahareta fa aza matahotra”, hoy ihany Ravalomanana izay nilaza fa tsy hisy hanaiky izay teti-dratsy fanaovana fihaonambem-pirenena na fifidianana. “Sarintsarim-pahaleovantena ihany no iainan’ny Malagasy, satria anjakana firenena samihafa i Madagasikara”, hoy izy. Nanamafy i Marc Ravalomanana fa “tsy maintsy ho avy i Dada”, ka mampirisika ny rehetra ny tenany hijoro hatramin’ny farany. Tanjona, hoy ihany izy ny hamerenana ny fahalalahana sy ny demokrasia. Nambarany koa fa “manonofy izay milaza fa hahatafita an’i Madagasikara kanefa tsy hisy fampihavanana na koa dinika hifandraisana amin’ny any ivelany”. Herintaona sy tapany mahery tokoa izao dia in-droa nanamarika ny 26 jona tsy teo Mahamasina ny mpanaraka ny ara-dalàna. Teny amin’ny kianjan’ny Magro teny Ankorondrano ny voalohany ary ny faharoa dia izao teny Behoririka izao. 

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

  • FITONDRANA ETO MADAGASIKARA
  • Zoma 24 Aprily 2026

Matetika misy poizina manodidina ny Filoha...

  • Fikaonan-doham-pirenena
  • Zoma 24 Aprily 2026

Haroso amin'ny volana May

  • Hary Razafindrazaka
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Manameloka ny fisamborana tanora

  • Afera fifofoana ny ain’ny Filoha
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Nivoaka ny anaran’ireo olona 11 any am-ponja…

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Ohatrany samy lasa manana ny Gen Z-ny!»

Hijery ny tohiny
FTT