Politique

Marc Ravalomanana Roa taona izay ...


  • Alakamisy 13 Oktobra 2016

Roa taona katroka izao no niverenan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana an-tanindrazana taorian’ny nilan’ny fianakaviany teto noho ny raharaha 2009

. Ny ny 17 martsa 2009 izy no voatery nandao an’i Madagasikara. Tampoka tamin’ny rehetra ny fahatongavan’i Marc Ravalomanana teto Madagasikara, mistery tanteraka hatramin’izao . Eny fa hatramin’ny mpitondra aza, fanina. Tapaka lalan-dra hatramin’ireo nivavaka ny tsy hiverenany an-tanindrazana intsony. Ny fahatongavany anefa no nampifoha indray ny dinika momba ny fampihavanam-pirenena, raha efa nanomboka niraviravy tanana hatramin’ireo raiamandreny niandraikitra izany. Niverina an-tsehatra indray teo ny FFKM ary nandray an-tanana io fampihavanam-pirenena io. Nanao izay hampifanantonana an’ireo mpitondra nifandimby teto Madagasikara, dia ireo efa-dahy voafidim-bahoaka dia i Didier Ratsiraka, Zafy Albert, Marc Ravalomanana sy Hery Rajaonarimampianina ary ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina. Natolotra ny filoha amperin’asa Hery Rajaonarimampianina izay tapaky ny mpizaika tamin’io fampihavanam-pirenena io. Nanao fanambarana ho ren-tany ho ren-danitra izy fa hampihatra izay tapaka, misy hoy izy ny azo ampiharina avy hatrany. Hatreto anefa nangina tsy nisy tohiny intsony ny amin’io fehin-kevitra io. Tsy atao mahagaga raha feno grevy sy fitakiana ary tonga hatramin’ny fidinana an-dalambe mitaky ny fametraham-pialan’ny filoha ka hirosoana amin’ny fifidianana filoham-pirenena mialoha ny fotoana ny raharaha. Nitety an’i Madagasikara, nijery ny zava-misy, nihaino ny fitarain’ny Malagasy, nitondra vahaolana ihany koa na anaovan’ny fitondrana antsojay tsy ankijanona aza I Marc Ravalomanana. Nandroso ny tokony hanaovana “pacte de stabilité” izy rehefa nifanenjana ny solombavam-bahoaka sy ny filohan’ny Repoblika tao anatin’ny “motion de déchéance » narahin’ny “motion de censure”. Mivoy ny tokony hisian’ny fifanantonana sy fifampidinihan’ny mpanao politika ao anaty fitondrana sy ny ivelan’ny fitondrana ihany koa izy, hijerena vahaolana tenierana fa efa mahantra fadiranovana ny Malagasy. Farany teo dia nisy ny fihaonany tamin’ireo mpanao politika lohandohany, nanongana azy teo amin’ny fitondrana tamin’ny 2009. Izao, lasa mpanolotsaina manokan’ny Ben’ny tanàn’Antananarivo izy ary koa maneho ny finiavany hizara ny traikefany hanampiana ireo Kaominina manerana ny Nosy, hisian’izay fampandrosoana ifotony, izy rahateo efa Ben’ny tanàna (1999-2001) nialoha ny nahavoafidy azy ho filoham-pirenena (2002-2009). Niverina aminy ny fitantanana ny antoko Tiako I Madagasikara izy, izay miomana amin’ny fandraisana fitondrana indray ao anatin’ny fifandimbiasana ara-demokratika.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT