Politique

Marc Ravalomanana Ny tsiambaratelon’i Gaborone !


  • Alakamisy 16 Jona 2011

Nitafa naharitra tamin’ireo mpanao gazety Malagasy mbola tavela atsy Afrika Atsimo, ny filoha Marc Ravalomanana omaly, nitondrany ny heviny mikasika ny raharaham-pirenena, ny fizotry ny famahana ny krizy taorian’ireo fihaonana nisesy sy ny fanapahan-kevitra noraisin’ny SADC.

27 volana izao ny krizy, fadiranovana ny vahoaka. Mahatsapa ny SADC, fa nikatso ny fandaminana sy ny fampiresahana teto Madagasikara”, hoy ny filoha Ravalomanana. Ny Ankolafy telo, andaniny, dia milaza fa ny fifanarahana niarahana nanao sonia teo imason’izao tontolo izao no izy. Ireo vondrona politika valo izay nanao rangopohy sori-dalana teny Ivato indray, ankilany, manizingizina fa iny ihany no izy. Eo no mampikatso ny raharaha satria tsy mitovy ireo hevitra ireo na dia samy te hamaha ny olana eto Madagasikara aza. Ankoatra izay, ny Ankolafy telo milaza fa fifanarahana vaovao vao mahafoana ny vita tany Addis Abeba sy Maputo, iretsy indray milaza fa mahasolo ireo fifanarahana ireo ilay rangopohy.

Ka izay, hoy ny filoha Ravalomanana ny anton’ilay fivoriana tsy ara-potoanan’ny SADC tany Windhoek (Namibia) izay nanapa-kevitra ka nampiantso ireo vondrona politika valo sy ny Ankolafy telo hihaona tany Gaborone (Botswana). Ary teo no nametrahan’ny SADC fa raha te hirotsaka ho filohan’ny Repoblika i Andry Rajoelina dia mametra-pialana enim-bolana mialoha ny fifidianana, ary ireo sesitany rehetra noho ny antony ara-politika, anisan’izany ny filoha Marc Ravalomanana, dia mahazo miverina an-tanindrazana tsy misy fepetra ary mandray anjara malalaka amin’ny raharaha politika ho fitadiavana vahaolana maharitra. Fa nampahafantatra tamin’ny mpanao gazety ny tsiambaratelon’i Gaborone koa atoa Marc Ravalomanana, ka nilazany fa nisy zavatra efa nomanin-dry zareo SADC hotanterahina tany, dia “ny fanombohana ny fifamelana sy fampihavanana”.

Nampiraisina latabatra, niara-nisakafo ny filoha Zafy Albert, Pierrot Rajaonarivelo, Monja Roindefo ary izy Marc Ravalomanana. “Raha nisy olona tsy nitovy hevitra teo aloha dia izahay ireo, nefa niray latabatra izahay. Ny tiako lazaina dia afaka miresaka ny Malagasy, afaka mifamela. Tsy mieritreritra na dia kely akory ny hoe hamalifaty aho. Izaho rahateo Kristianina. Koa aoka ny lasa homba ny lasa, fa tokony hijery izay vahaolana isika, indrindra tokony hijery lavitra amin’izay, fa mijaly ny vahoaka Malagasy”, hoy izy. Mikasika ny fanambarana nataon’ny miaramila farany teo, dia nampahatsiahy Atoa Ravalomanana fa eran-tany dia tsy azon’ny miaramila am-perinasa atao ny maneho hevitra ampahibemaso, araka ny lalàna fototry ny foloalindahy. Mikasika ny fifidianana resahin’ny FAT fa hatao dia nahitsy ny tenin’Atoa Marc Ravalomanana fa “fandaniana andro sy fandaniana vola ny fanaovana izany satria tsy hahazo fankatoavana velively”. Mazava ny tenin’ny Parlemanta Eoropeanina, araka ny nambarany.  Fa tsy nanafina ny asa nataony nandritra izay roa taona mahery nipetrahany tao Afrika Atsimo izay koa ny filoha Marc Ravalomanana. Nitsotra ny tenany fa tsy nanao fandraharahana izy nandritra izay 27 volana izay, fa kosa nivezivezey namantatra ny fiaraha-miasa eo anivon’ny SADC, sy ireo fifanarahana valo mamatotra ny tany mpikambana amin’io Vondrona io.

Momba ilay fanapahan-kevitry ny SADC tatsy Sandton farany teo indray dia nambarany fa “tsy mety ny fanambarana mialoha”, satria dia mbola handalo dingana samihafa izy iny. Mbola hoentina eo anivon’ny Filankevi-pilaminana sy fandriampahaleman’ny Vondrona Afrikanina (CPS) any Addis Abeba amin’ny herinandro ho avy io, mialoha ny handrosoana azy eo anivon’ny fivoriambe ara-potoanan’ny Vondrona Afrikanina amin’ny fiandohan’ny volana jolay any. “Mametraka fahatokisana tanteraka amin’ny SADC isika. Mahafantatra ny tokony hataony ireo filoham-pirenena sy solontenam-panjakana ao, ka aoka isika hanana faharetana”, hoy izy. Rehefa izay dia nanao antso mba hifanatona sy hifampiresaka, ny tenany, fa tsy hanao teny fihantsiana. Nanipika mazava koa Atoa Ravalomanana fa ho toy ny olon-tsotra rehetra ny tenany rehefa miverina. “Tsy misy milaza fa raha tafaverina aho dia izaho no lany fa anjaran’ny vahoaka no misafidy izay tiany hitondra ny firenena, hampandroso azy”, hoy izy.

 

Nangonin’i Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT