Filoham-pirenena maherin’ny 10 no nihaona sy nifampiresaka tamin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana taorian’ny lanonana fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny Mondial 2010 tatsy Afrika Atsimo ny zoma lasa teo.
Tafiditra tao anatin’ireo vahiny manan-kaja (VIP) nasain’ny filoha Afrikanina Tatsimo, Jacob Zuma, moa Atoa Ravalomanana ka izay no nahafahany nanatrika ity lanonana lehibe sy manan-tantara ho an’ny kaontinanta Afrikanina ity. Tsy nisy nipika ny resaka nifanaovany tamin’ireo filoham-pirenena ireo, fa ny azo antoka fotsiny dia misy ifandraisany amin’ny famahana ny krizy eto Madagasikara izany, sy ny mety ho fanampian’ireo firenena vahiny miara-miasa amintsika amin’ny fikarohana vahaolana. Manaporofo koa izany rehetra izany, fa tena mbola manana ny toerany sy ny lanjany manokana aty Afrika sy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ity filoha teo aloha ity ary tsy mitsahatra ny mampitombo ireo fihaonana sy fifampiresahana any amin’ny misy azy any, mba hijerena ny tokony hatao.
Ny filoha Marc Ravalomanana moa dia efa namerimberina fa tsy afaka ny hanala tena eo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena izany mihitsy i Madagasikara, ary vahaolana eken’ny sehatra iraisam-pirenena ihany no hampiharina sy hotanterahana eto. Araka ny feo nandeha efa hatramin’ny faran’ny volana mey teo ihany koa dia efa mieritreritra ny hiverina an-tanindrazana tsy ho ela ity filoha teo aloha ity, ka hisy ny fepetra manokana horaisiny amin’izany. Hisy, araka ny feo mandeha ihany, ny firenen-dehibe sy firenena Afrikanina vitsivitsy mety hanampy azy amin’ny fikarohana hevitra sy amin’ny fanatanterahana izany fiverenany eto Madagasikara izany. Koa azo vinavinaina ihany araka izany fa mety tafiditra tao anatin’ny fifampiresahana taminy sy ireto filoham-pirenena folo mahery ireto, izay Afrikanina ny ankamaroany, ny mikasika ny fodiany an-tanindrazana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.