Politique

Marc Ravalomanana Niely ny feo fa nisy nikasa hamono


  • Alatsinainy 12 Aprily 2010


Nikoropaka izay nandre, nisy mihitsy aza ny nihorohoro tamin’ny feo niely na niniana naparitaka ny sabotsy 10 aprily teo nilaza fa nisy nikasa hamono tany Afrika Atsimo, ny filoha Marc Ravalomanana, ny zoma teo. Tsy niandry ela fa ny sabotsy ihany dia namoaka fanambarana ny ankolafy Ravalomanana, tamin’ny alalan’ny mpitondra teniny, Guy Rivo Randrianarisoa, nanome ny vaovao marina hampitony ny ahiahin’ny maro ka nilaza, fa “manoloana ny feo miely sy ny tsaho maro samihafa mandeha” dia milaza fa “salama tsara ny Filoha Marc Ravalomanana ary tsy nisy nanafika na nikasa nitifitra izany mihitsy omaly zoma 9 aprily 2010”. Nanamafy ny fanambarana fa “izao no atao dia mba tsy hampiroaroa ny sain’ny vahoaka amin’ny zavatra tsy marina inian’ny sasany aely etsy sy eroa”. Nanararaotra izao fanambarana izao ihany koa ny ankolafy Ravalomanana, “hiantsoana ny vahoaka tsy hivily lalana fa hiatrika hatramin’ny farany ny tolona izay atao dia ny fampiharana ny satan’i Maputo sy ny tovana natao tany Addis-abeba ka hijoroan’ny fitondrana tetezamita eken’ny besinimaro”. Mampahatsiahy amin’ny fanambarana nataony ny ankolafy Ravalomanana fa “ny fiverenan’ny firenena eo anivon’ny fianakaviambe iraisam- pirenena sy ny famahana ny krizy lalina manjo ny firenena izay mampijaly ny vahoaka Malagasy no tanjona amin’izany. Koa mijoroa hatramin’ny farany, miraisa hina, aza manaiky horebirebena amin’ny hevitra manakorontana antsika.

Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT