Politique

Marc Ravalomanana Nankahery ny mpomba azy


  • Alarobia 24 Novambra 2010


Raha mieritreritra ny FAT fa ho tapaka hatreto ny tolona rehefa tsy nomena ny toerana rehetra izay nangatahina rehetra mba hanatontosana izany - tsy vitan’izany aza fa mbola najanona tamin’ny fampiasan-kery ihany koa ny fanehoan-kevitra izay anaty tanàna mifefy tetsy amin’ny Magro Behoririka – dia tsy izany velively ny zava-misy. Hitohy ny tolona ary mainka koa aza hihamafy izany. Nankahery ny mpomba azy ny filoha Marc Ravalomanana omaly ary nilaza fa tsy izy no hilavo lefona. Mitohy ny tolona, hoy izy, nanentana ireo mpiara-dia aminy. Araka ny fantatra dia etsy Ivandry, ao amin’ny «villa Elisabeth» izay an’ny Profesora Zafy Albert no hanatontosana izany manomboka anio.

 Ary tsy hiandry ela akory fa anio tolakandro dia efa hifamotoana eny ny olona. Hoporofoin’ny Ankolafy Telo fa tsy azo fefena ny olona amin’ny fanehoan-keviny. Tsy azo ferana ihany koa ny demokrasia. Nanamafy izany ny Dr Rakotovahiny Emmanuel nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety nataon’ny Ankolafy Telo tao amin’ny «villa Elisabeth» omaly tolakandro, fa tsy hihemotra izy ireo na eo aza ny sakantsakana samihafa. Asa indray izay mbola hitan’ny FAT hatao amin’ity fanapahan-kevitra vaovao ity... Ho hita manaraka eo ihany 

Fa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT