Politique

Marc Ravalomanana “Nandresy ny tolontsika, nivaly ny vavaka»


  • Alatsinainy 10 Desambra 2012

«Tsy maintsy mijoro amin’ny fahamarinana mandrakariva isika», hoy Atoa Marc Ravalomanana raha niditra nivantana nitafa tamin’ireo mpanaradia azy tetsy amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka ny sabotsy 08 desambra teo.

Niatrika ny fihaonan’ny SADC tany Tanzania ny tenany tamin’io fotoana io saingy nanokana ampaham-potoana hiresahana tamin’ireo mpomba azy ka nanamarihany fa tsy mitombina ny filazana fa tsy any aminy ny pasipaorony, porofon’izany, hoy izy, «tonga aty Tanzania aho izao». «Tsy maintsy tafaverintsika amin’ny ara-dalàna ary tsy maintsy tonga any Madagasikara aho», hoy ihany izy nanamafy sy nanome toky ireo mpandala ny ara-dalàna izay nameno kianja io sabotsy io. Dinika ho famahana ny krizy politika eto amintsika sy any amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo ny fivoriana natrehan’ireo mpitondra fanjakana eo anivon’ny SADC tany Dar es Salam, Tanzania. Araka ny fanazavan’ny filoha Marc Ravalomanana dia «tsy maintsy ara-pomba demokratika, dia fifidianana malalaka hahafahan’ny rehetra misafidy izay tiany hitondra ny taniny sy ny fireneny no hatao eto Madagasikara».

Demokrasia

Fa tao Toamasina, raha nitafa an-tariby nivantana avy any Dar Es Salam tamin’ny mpomba azy ao an-toerana, Atoa Marc Ravalomanana, io sabotsy io ihany, dia nilaza fa “nandresy ny tolontsika, nivaly ny vavaka nataontsika, tsy misy marina takonana tsy ho hita izany. Tsy ho ela intsony ny fodiako. Ny fandaminan’ny SADC azy sisa no andrasana dia hambara ny Malagasy izany fotoan-dehibe izany”. Nomarihan’Atoa Ravalomanana hatrany fa “tsy hitondra ady, na hitondra korontana, na ho tonga hamaly faty ny fiverenako, ho avy aho hiaraka amin’ny Malagasy rehetra hampandroso indray ny firenentsika izay tena ao anatin’ny fahasahiranana lalim-paka ankehitriny”.

Ny minisitry ny fiompiana, Ihanta Randriamandrato izay hany minisitry ny ankolafy Ravalomanana nitafa nifanatri-tava voalohany tamin’ny vahoakan’ny Magro Tanambao V, dia nanamafy ihany koa fa “tsy hisy izany fifidianana handeha izany raha tsy tafody eto an-tanindrazana ny filoha Marc Ravalomanana. Tsy hisy koa ny fifidianana madio, mangarahara, demokratika ary eken’ny rehetra raha tsy avela mirotsaka Atoa Marc Ravalomanana satria filoha voafidim-bahoaka no nongotana noho ny fanonganam-panjakana teto. Raha ny fifanarahana iraisam-pirenena izay efa lasa lalàna eto amintsika ihany koa, dia ny mpanongam-panjakana mihitsy no tsy afaka mirotsaka hofidiana noho ny fanajana ny demokrasia”.

Ny CST Rasamimaka Mahefalahy nampian’ireo mambra ny kongresin’ny tetezamita avy amin’ny ankolafy telo mianadahy niatrika ny hetsika kosa, ankoatra ny fanazavana ny fanambarana goavana nataon’ny Kly Charles, dia nambaran’izy ireo fa “tsy matahotra ny fampiharana 100% ny tondrozotra isika na ilay andininy faha-45 atao biby fampitahorana an’Atoa Ravalomanana aza”. Ankoatra izany, hanomana hetsika manokana ho azy ireo ny fikambanan’ny Zanak’i Dada Toamasina ny alarobia 12 desambra izao, ao Ambolomadinika, amin’ny fankalazana ny tsingerintaona nahaterahan’Atoa Marc Ravalomanana.

Soa sy Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT