Politique

Marc Ravalomanana Nanao antso sy fanambarana miezinezina


  • Alatsinainy 15 Novambra 2010

Nanoloana ny zava-nihatra amin’ireo mpitarika ao amin’ny Ankolafy Telo sy ny nitranga teto an-drenivohitra ny sabotsy 13 novambra 2010 dia tsy niandry ela fa io andro io ihany dia nanao antso avo sy fanambarana miezinezina, ny Filoha Marc Ravalomanana sady filohan’ny Ankolafy Ravalomanana rahateo, araka izao manaraka izao.

«Miarahaba ny Vahoaka Malagasy tsivakivolo aho, ary manao antso avo amintsika Malagasy rehetra tia Tanindrazana hiray hina, ka hijoro hatramin’ny farany amin’ny fitakiana ny famerenana ny Fanjakana tan-dalàna amin’ny fomba demokratika sy ny fanajana ny zon’olombelona. Iaraha-mahita ny zava-misy sy ny fahasahiranana manjo ny Vahoaka Malagasy taorian’ny fanonganam-panjakana sy ny fakana an-keriny ny fahefana tamin’ny volana Martsa 2009. Mbola mitohy mandrak’ankehitriny ny fampitahorana, ny fisamborana, ary ny fanagadrana tsy amin’ny antony. Tamin’ny Alakamisy lasa teo dia nosamborina Ingahy Fetison Rakoto Andrianirina, lehiben’ny delegasiona, izay voatendry «co-président» tamin’ny herintaona katroka, i Zafilahy, filohan’ny vondrona parlemantera, Pastera Edouard, ary olona 16 hafa. Tsy fisamborana na fanagadrana no vahaolana amin’izao krizy izao.

Manameloka tanteraka ny fisamborana sy ny fanagadrana azy ireo isika, ary mitaky ny famoahana azy rehetra tsy misy hatak’andro, ary tsy misy fepetra. Manao antso avo aminareo Foloalindahy aho, izay tandroka aron’ny vozona, ary kitro ifaharan’ny Firenena. Sahia mijoro ianareo, hiaro ny Vahaoka tsy mandady harona, izay ianjadian’ny fahasahiranana goavana ankehitriny noho ny fanonganam-panjakana tsy voahevitra, ka nampidi-kizo tanteraka ny Firenena Malagasy. Tsy mbola nisy fahantrana sy fijaliana toy izao teto amin’ny tany sy ny Fanjakana. Manainga anareo aho hanarina ny tany tan-dalàna sy manaja ny zo fototra maha olona, mba hiverenan’ny fahatokisan’ny vahaoka anareo indray, hamerina amin’ny laoniny ny endriky ny mpitandro filaminana, ho mpiaro ny olona sy ny fananany, ary ny fiariany ianareo.

Amin’izany, dia aoka ianareo hitandro lalandava ny firaisankina, ka hanaja ny soatoavina ara miaramila, ary ny sata repoblikana. Manao antso avo aminareo Ben’ny tanàna aho. Ianareo no olomboafidy akaiky indrindra ny Vahaoka. Mahalala sy mahita ny manjo azy ireo ianareo. Koa raiso ny andraikitra. Ampahalalao ny zava-misy marina ny Vahoaka, mba tsy ho tompon trano mihono. Miray feo amin’ny Fianakaviambe iraisam-pirenena isika, toy ny Firenena Mikambana, ny Vondrona Afrikanina, ny Vondrona Eoropeanina, ny SADC, ny OIF, ary ny Amerikanina, izay nanao fanambarana mazava teto Antananarivo fa tsy mankasitraka velively izao fitondrana tsy ara-dalàna izao. Miray feo amin’izy ireo isika, tsy manaiky ny fomba namoronana sy fomba fiasan’ireo andrimpanjakana misy ankehitriny. Miantso ny Vahoaka Malagasy amin’izao vanim-potoana sarotra eo amin’ny tantaran’ny Firenentsika izao aho, ka hiray hina sy hijoro amin’ny fitakiana ny famerenana ny tany tan-dalàna sy ny fitantanana demokratika, araka ny Lalàmpanorenana Malagasy. Miantso ny rehetra aho hiray feo amin’ny Fianakaviambe Iraisam-pirenena, hanohitra ny fitsapan-kevi-bahaoka na ny référendum sy ny fifidianana Ben’ny tanàna, izay fanapahan-kevitry ny HAT samy irery, na “decision unilatérale”, ka tere-komasaka sy anaovana amboletra fotsiny izao, nefa tsy vonona akory na ny lisi-pifidianana na ny kara-pifidianana, ankoatran’ireo olana maro tsy ho ary voatanisako eto.
 
Miantso ny Ben’ ny tanàna ary aho, hiray feo, ka hihevitra toy ny tsy misy ny référendum sy ny fifidianana izay Ben’ny tanàna kasain’ireo mpitondra tsy ara-dalàna atao. Ianareo Sefo Fokontany, izay miaina miaraka amin’ny Vahoaka, ary mahalala ny mangirifiry sy ny manjo azy ireo. Henoy ny feon’ny fieritreretanareo. Aza manaiky hiray tsikombakomba amin’izay teti-dratsy tsy hahasoa ny Vahoaka sy ny Firenena Malagasy ianareo. Mijoroa amin’ny hevitrareo. Vonjeo ny Vahoaka Malagasy. Miantso anareo Mpitondra fivavahana, ny Vahoakan’Andriamanitra rehetra, ny Ray aman-dreny, ny tanora, ary ny olon-tsotra tsy an-kanavaka aho. Masina ny Tanindrazana, koa toroy sy lazao ny zava-marina sy ny zava-misy ny Vahoaka. Averiko eto indray, tsy mbola nisy fahantrana sy fijaliana toy izao teto amin’ny tany sy ny Fanjakana Malagasy. Aoka ho samy tompon’andraikitra isika rehetra, ka tsy ho voafitaka fanindroany indray amin’ireo lainga be afafy sy ny volabe aparitaka etsy sy eroa.
Tsy hisy mpanara-maso iraisam-pirenena ho tonga akory eo. Hevero ho toy ny tsy misy izany référendum izany. Mijoroa hatrany amin’ny fitakiana ny famerenana ny tany tan-dalàna sy ny fitondrana ara-dalàna, ara-demokratika ary ny fanajana ny maha olona ny olona.
Homba antsika anie Andriamanitra !»
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT