Tonga nanotrona ny famaranana ny isan-kerintaonan’ny Sinaodam-paritany Miray Faritra Antongil (SP28) natao tany Maroantsetra omaly alahady 18 septambra 2016,
ny filoham-pirenena teo aloha sady filohan’ny komitin’ny jobily faha-50 taonan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM), Marc Ravalomanana. Nandritra ny Synaoda lehibe FJKM tao Antsirabe no nanasan’ny SP28 an’Atoa Marc Ravalomanana ho avy tamin’ity famaranana ny isan-kerintaona ity. Ny sabotsy 17 septambra izy dia efa tonga. Fitsenana nakotrokotroka no nomanin’ny tao an-toerana nandraisana azy. Tsy ny mpino FJKM irery fa ny vahoakan’i Maroantsetra no niara-nientana tamin’ny fahatongavany. Tomefy olona niainga hatrany amin’ny seranam-piaramanidina ka hatrao amin’ny FJKM Zoara Famonjena Maroantsetra. Roa andro talohan’io anefa, rotaka niafara tamin’ny faty olona tao an-toerana, vokatry ny fifandonana teo amin’ny mpitandro ny filaminana sy ny mpomba ilay mpandraharaha sady Ben’ny tanàna kaominina Anjahana teo aloha, Mahavita Rodrigue raha nikasa hisambotra ity farany ny polisy avy any Toamasina. Tafaray ny tia sy ny manina. Nampiombona ny iray tanàna ny fahatongavany. Nohavaozin’i Maroantsetra amin’io ny fifampitokisana aminy. Ela ny ela, tsy nisy olona ambony nahavory olona maro toy io, hoy ny avy any an-toerana. Namelona ny fanantenan’izy ireo ny fahatongavan’Atoa Marc Ravalomanana tany an-toerana. Mitamberina ao an-tsain’ny maro ireo asa fampandrosoana nataon’ny fitondrana Ravalomanana tamin’iny faritra Analanjirofo iny. Efa vita ny lalam-pirenena faha-5 raha tsy nisy ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009. Namatsy vola ny vondrona Eoropeanina, efa natomboka ny fanamboarana ireto tetezana niisa 50 mahery amin’iny lalam-pirenena iny. Mifandimby i Maroantsetra sy Mananara Avaratra amin’ny fampiantranoana ny isan-kerintaonan’ny SP28, ka anjaran’i Maroantsetra tamin’ity. Niara-dia tamin’Atoa Marc Ravalomanana tamin’ity dia ity, ny filoha lefitra laika ao amin’ny birao vaovaon’ny Foibe FJKM, Randriamamonjisoa Georges Henri.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.