Politique

Marc Ravalomanana : Nampatsiahy ny fifampifehezana


  • Alakamisy 01 Aprily 2010


Izao tontolo izao no efa miara-miaiky fa tsy ara-dalàna ny fitondrana eto Madagasikara. “Samy tia tanindrazana isika, ka tsy maintsy mijoro, ary mijoro hatramin’ny farany, ao anatin’ny firaisankina sy ny fifampatokisana. Koa ho tohin’ny efa nataontsika hatramin’izay, dia tsy maintsy mipetraka ary hamafisina ny fifanajana sy ny fifampifehezana”, hoy ny filohan’ny ankolafy Ravalomanana ho an’ireo mpitarika sy mpikambana rehetra ao amin’ny firehany tarihiny. Nanao karazana fampahatsiahivana ny fifampifehezana i Marc Ravalomanana. Nambarany fa tonga amin’ny kihon-dalana lehibe isika izao koa tokony ho mailo sy handinika tsara satria zava-dehibe ny tombontsoa sy ny hoavin’ny firenena. Manoloana izany indrindra dia nanao antso amin’ny ankolafy tarihiny ny filoha Ravalomanana ny amin’ny tsy tokony handraisana fanapahan-kevitra irery fa hifampidinihana. Omena ny toerany ihany koa ireo Parlemantera, araka ny fanazavana, mandritra ireo fihaonana sy fivoriana rehetra. Ankoatra izay, nohamafisin’ny filohan’ny ankolafy Ravalomanana ihany koa ny tokony hitandroana hatrany ny fiarahan’ny ankolafy Madagasikara sy ireo mpiara-dia hafa. 

Nangonin’i Soa     
 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT