Mamy Rakotoarivelo, filohan’ny Kongresin’ny tetezamita sy Hanitra Razafimanantsoa, filoha lefitry ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita no delegasion’ny ankolafy Ravalomanana avy aty Madagasikara nanotrona ny filoha Marc Ravalomanana tamin’ny fihaonan’ny SADC natao tany Dar Es Salam Tanzania farany teo.
Omaly dia nanao tatitra tamin’ny mpandala ny ara-dalàna tetsy amin’ny Magro Behoririka izy ireo. Araka ny fanazavan’ny Me Hanitra Razafimanantsoa dia fivorian’ny Troika- SADC no natao tany. Nisy ny tatitra nataon’ny vaomieran’ny filaminana eo anivon’ny Troika, nisy koa ny tatitra nataon’ny tariky ny filoha mozambikanina teo aloha sady lehiben’ny mpanelanelana amin’ny krizy eto Madagasikara, Joaquim Chissano. Tsy tao anaty fandaharam-potoana ny fihaonana eo amin’ny filoha Marc Ravalomanana sy i Andry Rajoelina fa fivorian’ny SADC no tany, araka ny fanazavany ihany. “Tsy miroaroa siana isika fa tsy nisy izany fanapahan-kevitra hoe ‘ni…ni’ izany tany”, hoy ny Me Hanitra. Ny tapaka tany, araka ny fanazavany hatrany, dia tsy maintsy tanterahina an-tsakany sy an-davany izay voalazan’ny sori-dalana, manomboka amin’ny andininy voalohany ka hatramin’ny andininy farany, eken’ny SADC ihany koa ireo datim-pifidianana filohan’ny Repoblika sy solombavambahoaka, vonona hanome 10 tapitrisa dolara koa ny SADC ho an’izany fifidianana izany. Momba ny amnistia dia ho tombony ho an’ireo sesitany rehetra satria terena ny governemanta hanafoana ny lalàna rehetra manelingelina na manilika ny olom-pirenena iray tsy hilatsaka hofidiana. Ankoatra izay dia mila resena lahatra i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina tsy hilatsaka raha toa ka izay no mahatafavoaka ny firenena amin’ny krizy.
Mody aloha
“Aleo aho aloha hody hanontany ny hevitry ny vahoakako na hilatsaka aho na tsia”. Izay no tenin’ny filoha Marc Ravalomanana, araka ny nampitain’i Mamy Rakotoarivelo. Ity farany izay nanamafy fa tsy nilaza mihitsy ny SADC fa tsy mahazo milatsaka ny filoha Marc Ravalomanana. Tsy nisy mihitsy resaka fa mety hitondra korontana ny fiverenan’ny filoha eto, hoy izy ary dia foana ihany koa ilay filazana fa tokony honina enim-bolana eto izy vao afaka hirotsaka hofidiana satria efa nandidy ny SADC fa foanana avokoa ny lalàna rehetra mety hisakana olom-pirenena tsy hofidiana. “Mody aloha dia miresaka avy eo”, hoy ihany ny filohan’ny Kongresy izay nanipika mazava fa maika izany izao ny hampiharan’ny SADC ireo fehin-keviny.
Mila alamina, hoy izy ny fitandroana ny ain’ny filoha Marc Ravalomanana ka raha tsy mahavita izany ny miaramila Malagasy dia hangataka miaramila amin’ny SADC hanatitra ny filoha Ravalomanana aty an-tanindrazana sy hiaro azy mandra-pilamin’ny toe-draharaha. Dia samy miandry ny rehetra. Fantatra moa fa anio no hanamarihana ny tsingerintaona faha-63 nahaterahan’ny filoha Marc Ravalomanana. Hankalaza izany ny etsy an-kianja ka ho fotoan-dehibe eny anio, araka ny lamina napetraka.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.