Politique

Marc Ravalomanana mivady Miatrika fivoriana any Canada


  • Alarobia 21 Jona 2017

Niatrika ny fanokafana ny fivoriamben’ny Metropolis na ireo tanàn-dehibe manerana izao tontolo izao sy ny AIMF (Association Internationale de Maires Francophone)

na ny fikambanana iraisam-pirenen’ireo Ben’ny tanàna Frankofonina tanterahina any Canada nanomboka ny alatsinainy 19 ary hifarana rahampitso alakamisy 22 jona 2017 ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Lalao Ravalomanana. Midika izany fa mandray anjara feno Antananarivo. Any an-toerana ihany koa ny filoham-pirenena teo aloha Marc Ravalomanana sady mpanolotsaina manokan’ny Ben’ny tanàna rahateo, izay  mikatsaka mandrakariva ny hanarenana ny renivohitra sy mitady ny hevitra rehetra ahafahana manantanteraka izany. Tsy vitan’ny mpitantana irery anefa ny fanarenana ny tanàna fa mila fiaraha-mientana amin’ny vahoaka, ka mila mifanabe sy mila tonga saina ary resy lahatra ny rehetra. Ho rera-poana fotsiny eo ny mpitantana raha tsy ny vahoaka mihitsy no resy lahatra sy vonona hiova hifanome tanana amin’ny mpitondra. Raha ny any Canada manokana, ohatra, dia madio ny tanàna satria samy miezaka ny isam-batan’olona. Tokony hifantoka ao an-tsain’ny tsirairay fa tsy misy fahagagana ny fahombiazana fa vokatry ny fiaraha-mientana sy faharesen-dahatry ny rehetra, ka mba ho vitsy sisa ny volo manoa randrana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT