Politique

Marc Ravalomanana Mitsoka ny rivo-pandresena


  • Talata 21 Martsa 2017

Saika miresaka sy manaratsy an’i Marc Ravalomanana avokoa ireo haino aman-jery mpomba ny mpitondra sy ny mpanongam-panjakana tamin’ny taona 2009 amin’izao fotoana izao.

Izay rehetra mahazo micro dia samy miteny izay hitsin’ny vavany, mba handotoana ny tenany, satria izany tokoa angamba no antsoina hoe demokrasia ho an’ireo fatra-panenjika sy efa donton’ny saina maloto sy ny fialonana noho ny fankafizan’ny vahoaka an’ity filoha teo aloha ity. Mbola maro be ny zavatra tsy takatry ny sain'ireo mpanaratsy sy mpanenjika. Efa ela no nigadra Ravalomanana raha nanao ratsy teto amin'ny firenena, fa io izy tafaverina am-pilaminana eto io mihitsy no tsy zakan'ny sasany. Manaja tena sy tsy te hiditra amin’ny resaka fifampihantsiana isan-karazany anefa i Marc Ravalomanana. Tsy mbola nisy mpitondra teto Madagasikara sahy mijoro ho nahavita noho ny vitany, ary malalaka ny lalany mankany amin’ny fibatana ny fandresena ho any amin’ny fitondrana an’i Madagasikara atsy ho atsy, ka ezahina ny hanaratsy sy hanimba ny ho avy politikany, saingy tonga amin’ilay fitenenana hoe “volamena latsaka am-bovoka ka tsy avelan’ny tarany tsy hamiratra” ny zava-misy. Any ivelany i Marc Ravalomanana amin’izao fotoana izao ary izay aleha dia mankasitraka sy mankahery azy avokoa. Tsy ny eto an-tanindrazana ihany no manome hery sy manosika hatrany azy fa ireo Malagasy mpila ravinahitra any andafin’ny riaka na irony antsoina hoe « diaspora » irony, ka tsy sasatry ny maneho ny fahavononany hanolo-tanana an’i Marc Ravalomanana amin’ny fanarenana sy fampandrosoana an’i Madagasikara. Ny 25 martsa izao, ohatra, dia hisy ny fihaonana hotanterahin’izy ireo miaraka amin’ny filoha Ravalomanana mivady hatao any Paris. Matahotra sy mialona mafy anefa ny hafa, ka hanaovana adin’ny kanosa i Marc Ravalomanana ary hatao izay hanakonana an-kolaka azy tsy hiteny na dia hitondra fanehoan-kevitra manoloana ireny fanaratsiana sesilany ireny fotsiny aza. Raha tena mahazaka demokrasia ireo mpanenjika sy mpandoto fatratra azy, izay ahitana ny mpitondra sy ireo efa nitondra ary mbola mihevitra ny hitondra, dia mamela malalaka ny haino aman-jerin’ity filoha teo aloha ity hisokatra. Hiaraha-mahita eo amin’izay ny manana foto-kevitra mazava hoenti-manarina ny firenena sy izay jamban’ny fankahalana sy matahotra mafy, ka manao adin’ny kanosa. Aleo tsy atao resa-be ilay hoe demokrasia fa hampiharina, ka tsy asiana tombo sy hala raha tena mahazaka fa tsy manao adin’ny kanosa  !

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT