Nanamarika ny tsingerin-taona faha-70 nisian’ny tolom-panafahana nataon’ireo maherifo Malagasy tamin’ny taona 1947 teny amin’ny kianjan’ny Finoana ny antoko Tiako I Madagasikara sy ireo mpiara-dia aminy omaly alarobia 29 martsa 2017.
Notsarovana manokana ireo raiamandreny Malagasy tia tanindrazana niady nanohitra ny fanjanahantany. Fotoana ihany koa anefa nitondrana am-bavaka ny fahasahiranana mianjady amin’ny firenena sy ny vahoaka Malagasy miaraka amin’ny fitakiana ny fisokafan’ny haino aman-jery MBS (Malagasy Broadcasting System). Tsy nanatrika ny fihaonana teny an-toerana kosa ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc izay mbola mitety tany maro any ivelany mikaroka ny mahasoa ny vahoaka Malagasy. Hafatra avy amin’i Dada nampitainy tamin’ny depiote Randrianarisoa Guy Rivo moa ny fandinihan’ny Malagasy ny tononkiran’ireo mpitolona tia tanindrazana «Madagasikara Tanindrazanay» izay mifototra betsaka amin’ny tontolon’ny firaisankina.
Diaspora Malagasy
Niady tamin’ny fahantrana mahazo ny Malagasy 92% tokoa ny fitondrana ankehitriny tao anatin’ny 3 taona fa tsara lavitra kokoa ny dingana vita tamin’ny taona 2002 hatramin’ny 2005, hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc. Mila ny vahoaka tsy an-kanavaka anefa ny fiverenana indray hitondra ny firenena fa tsy vitan’ny Tiako I Madagasikara samy irery. Ny antoko tarihany izay mandala ny demokrasia fa tsy mpanongam-panjakana, araka ny fanamarihany. Misongadina manokana amin’ny dian’ny filoha nasionalin’ny TIM any ivelany ankehitriny ny fifampiresahana mivantana amin’ireo fikambanan’ny teratany Malagasy mila ravinahitra any ivelany. Ny diaspora Malagasy izay vonona hanampy ara-bola ny filoha Ravalomanana Marc amin’ny fiatrehana ny fifidianana amin’ny taona 2018.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.