Politique

Marc Ravalomanana Misy mitady hanilika tanteraka ?


  • Alakamisy 23 Jona 2011

Mbola miteraka resabe etsy sy eroa hatramin’izao ilay taratasy navoakan’ny Dr Salomao Sekretera mpanatanteraky ny Sadc ny 17 jona teo.

 Ny zanak’i Dada sy ny avy ao amin’ny Ankolafy 3 moa no tena sanganehana sy tezitra mihitsy aza tamin’iny fanambarana, toa mitsipaka indray ny nivoaka tany Sandton Afrika Atsimo iny. Araka ny fahitan’ny manampahaizana iray momba ny diplaomasia sy ny fifandraisana iraisam-pirenena azy dia tsy tongatonga ho azy iny fanambarana tamin’ny 17 jona iny fa misy antony. Tsy azo eritreretina mihitsy, hoy ny fanazavany, fa tsy sahy hamoaka zavatra tsy nahazoany tso-drano avy amin’ny Sadc mihitsy ny Dr Salomao. Mitovitovy amin’ilay sori-dalana naroson’ny Dr Simao ihany izany rehetra izany raha ny fahitany azy. Maromaro ihany koa ny mpandinika ny raharaha politika eto amin’ny firenena no resy lahatra fa ao anatin’ny adilahy politika tena avo lenta ny eto Madagasikara amin’izao fotoana ka izay vondrona na ankolafy politika tsy maharaka tsara ny zava-misy na varimbariana sy sodokan’ny ady seza no ho tavela farany eo satria tena  miha sarotra ilay teti-panorona.

Araka ny fandinihan’ireo mpanara-baovao politika ihany koa dia tokony ho mailo sy hitandrina Atoa Ravalomanana fa mety misy any ambadimbadika any ny tetika hanakana azy tsy hiverina intsony eto Madagasikara, ary rehefa izay no tanteraka dia ho nofinofy ho azy ny hoe mbola voafidy ho filoham-pirenena indray andro any. Raha tsorina ny resaka dia ny fanilihana tanteraka an’i Marc Ravalomanana amin’ny tontolo politika eto Madagasikara no tena tanjona ho an’ny vondron’olona matanjaka eto an-toerana sy any ivelany izay mampiasa ny olony sy ny volany. Fitaovana ihany i Andry Rajoelina sy ny FAT fa misy matanjaka ao ambadik’izany tetika izany. Raha miantehitra amin’ny resaka ara-diplaomatika ny filoha teo aloha dia haharitra ny adivarotra satria efa fetsy dia fetsy ihany koa ny vahiny ary tsy misy izany mpanelanelana azo antoka 100% izany. Tsy eto Madagasikara ihany fa any ivelany sy ao anatin’ireny fikambanana iraisam-pirenena matanjaka ireny dia mbola ahitana kolikoly. Misy ihany koa mieritreritra fa tokony hitady ny fomba rehetra hahatongavany eto Madagasikara faran’izay haingana ny filoha Marc Ravalomanana fa raha ny FAT no andrasany hanaiky izany dia tavela any Afrika Atsimo any izy.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT