Politique

Marc Ravalomanana Miketrika mafy ny fiverenany !


  • Talata 06 Jolay 2010

Ny faran’ny herinandro teo no nanamafisan’ny filoha Marc Ravalomanana fa tsy maintsy miverina eto Madagasikara ny tenany.

Nambarany fa efa eo am-pitadiavana ny fomba rehetra hanatanterahana ny fiverenany izy sy ireo mpiara-miasa aminy, na ny ivelany izany na ny eto an-toerana. «Tsy maintsy miverina ary tafahaona aminareo eto aho ary eo am-pikarohana ny fomba rehetra hanatanterahana izany» hoy i Marc Ravalomanana tamin’ireo mpitolona avy ao amin’ny ankolafy telo, ny faran’ny herinandro teo. Ny mpisolovava ity filoha teo aloha ity moa dia efa nilaza fa tsy misy manakana azy hiverina eto an-tanindrazana mihitsy, tsy mbola nisy rahateo ny fitsarana efa tena niampangana azy tanteraka. Na ilay fitsarana ny “raharaha 7 febroary” aza dia tsy mbola fantatra hoe rahoviana marina no hanatanterahana azy. Midika izany fa afaka miditra an-kalalahana eto Madagasikara i Marc Ravalomanana. Ny feo mandeha no nahafantarana, fa tsy ho avy irery eto izy ka hoe handeha amin’ny zotram-piaramanidina mahazatra, tahaka ny olon-drehetra fa mety haterin’ireo avy amin’ny vondron’ny mpanelanelana iraisam-pirenena. Hisy fepetra manokana tsy maintsy horaisina amin’ny fiarovana azy amin’izay fotoana izay, ka izany indrindra no mbola dinihana sy halamina tsara. Araka ny ritsoka re ihany dia misy mihitsy ireo vondron’olona mifofo ny ainy vantany vao miditra eto Madagasikara izy. Tsy maintsy dinihina lalina, araka izany, ny fanatanterahana ity fiverenana ity. Efa nilaza ny fahavononany ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena rahateo koa izy ary efa miomana amin’izany. 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT