Politique

Marc Ravalomanana Mihaino ny vahoaka


  • Zoma 16 Septambra 2016

Mpitondra mihaino ny Vahoaka ? Izay no tsy ampy eto Madagasikara mba tsy hilazana fa tsy misy.

Raha nisy nihaino sy fifampiresahana, tsy mivoaka ny trano na tonga eny an-dalambe ny fitakiana, tsy politika ihany fa indrindra ny sosialy ihany koa. Ny loza aza dia herim-pamoretana no fitaovan’ny mpitondra hanapenam-bava izay mitaraina, mangataka mainka moa fa mitaky. Vokany, mihombo ny aretina mikiky an-dRamalagasy, dia ny fahantrana. Potika ny fiarahamonina ary anjakan’ny tsy fandriampahalemana. Very ny fifampitokisana eo amin’ny mpitondra sy ny vahoaka, eo amin’ny vahoaka sy ny fitsarana, ny vahoaka sy ny mpitandro ny filaminana, ny vahoaka sy ny mpanao politika... «Tsy fifidianana ihany ny demokrasia fa mila fifampiresahana sy fifampihainoana ihany koa”, hoy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Ity farany izay mamerimberina fa ilaina ny fifampitokisana ary ao anatin’ny fifampiresahana sy ny fifampihainoana no ahalalana ny zava-misy marina, anovozam-pahaizana sy traikefa ka ahitana vahaolana sy ahavitana zavatra mifanaraka amin’ny vina. Dia io fa miantoraka, mitaraina aminy ny olona amin’izay tany rehetra tsidihiny sy alehany fa izy no afaka mihaino sy iandrandran’ny vahoaka hamaha ny olana mianjady aminy. Efa nanaporofo rahateo Atoa Marc Ravalomanana tamin’ny fotoana nitondrany fa tia mizara, mampianatra, mifanakalo ary mandala fifampiresahana izy. Nahazo anarana “Ramose” mihitsy izy noho izay. Tsaroan’ny maro ny niantsoany ireo sefom-pokontany rehetra manerana ny Nosy nofanina momba ny fahaizamitarika teny Iavoloha. Toy izany koa ireo Ben’ny tanàna, izay nakarina in-droa miantoana. Tsy diso anjara koa ny vehivavy, izay sambany teto amin’ny tantaram-pirenena no nisy an’izany. Amin’Atoa Marc Ravalomanana dia manana anjara amin’ny fampandrosoana an’ity Madagasikara ity avokoa ny Malagasy isam-batan’olona, ary samy tokony hisitraka izany fampandrosoana izany, fanampiny ny mpamatsy vola vahiny, ka nahavitana fotodrafitrasa maro, indrindra ny lalana izay tena nahafantarana azy. Nirosoany ny revôlisiôna maitso, nataony ny fifaninanana voly vary... izy rahateo nanana vinam-piarahamonina nazava, dia ny MAP (Madagasikara Am-perinasa) ary ny vahoaka mihitsy ankehitriny no mampirisika azy hanohy ny lalana, izy rahateo moa efa nanambara ampahibemaso fa ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena manaraka eo !

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT