Politique

Marc Ravalomanana “Mifamatotra amin'ny fampandrosoana an'i Madagasikara”, hoy ny TIM


  • Alakamisy 07 Jolay 2011

Mitohy ny fanetsiketsehan’ny Birao foibe Tiako I Madagasikara ny mpikambany eny anivon’ny Kaominina.

 Taorian’i Alasora dia anjaran’ny tao amin’ny Kaominina Ankadikely indray no nanaovan’izy ireo fanentanana omaly. Nifamotoana tao amin’ny Espace Akanisoa ireo mpikambana avy amin’ireo Fokontany manodidina. Niatrika ny fotoana sy nifampizara vaovao ary nanao fanentanana ny depiote isany Mamitiana Ravelonanosy voafidy tao Ankazobe sy ny Rakotoarisoa Etienne voafidy tao Antananarivo Avaradrano. Vory maro ny mpikatroka ifotony. Niray feo izy ireo nilaza fa “mifamatotra amin'ny fampandrosoana an'i Madagasikara ny Filoha Marc Ravalomanana”, ka manomana ny fitsenana azy amin’ny fomba manetriketrika izy ireo amin’izao hiverenany an-tanindrazana izao. Ankoatra izay dia hifanohana amin’ny Rodobe izay hanao hetsika eny Anosy izy ireo anio.

 

Nangonini Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT