Politique

Marc Ravalomanana Miezaka ny mandamina


  • Alatsinainy 25 Jolay 2011

Efa elaela ihany izay no tsy re tetsy amin’ny kianjan’ny Fahamarinana Magro ny feon’ny filoha Ravalomanana.

 Nafana dia nafana ny nandraisan’ny vahoaka tao an-kianja ny antso an-tariby nivantana nataon’ity mpitarika azy ireo ny sabotsy 23 jolay teo. Nambaran’ny filoha Marc Ravalomanana nandritra io fa efa miezaka sy manao izay azo atao rehetra ny SADC, ny Vondrona Afrikanina, ny Vondrona Eoropeanina, ny Amerikanina, indrindra fa ny Firenena Mikambana mandamina sy mandrafitra tondrozotra ifanarahana sy mamaritra izay toerana hanaovana sonia izany. Manantena isika, hoy ny filoha Ravalomanana fa ho tonga ny fotoana hahafahana manatanteraka izany mba hamaranana amin’izay ity fahasahiranana manjo ny vahoaka malagasy ity. «Koa aza gaga ianareo raha elaela aho tsy niteny satria mandinika sy mandrafitra ny fomba rehetra hanatanterahana izany», hoy Atoa Ravalomanana. Nanamafy ary nanome toky ny mpomba azy anefa ny tenany fa tsy maintsy hiverina an-tanindrazana ka handray anjara amin’ny fandaminana ara-politika eto an-toerana.4

 “Tsy anjarantsika intsony amin’izao fotoana izao ny hifanenjika na hieritreritra valifaty na hanaratsy izay firenena manao an’izao na izao. Ny zavatra tadiavintsika dia hoe isika Malagasy no mahalala ny fomba rehetra hifanarahana satria isika Malagasy no tojo fahasahiranana, ary isika Malagasy ihany koa no mahalala ny endrika hitondrana sy hanasoa ny firenentsika izay tena latsaka ankaterana tanteraka, ka sahirana ny vahoaka”, araka ny fanazavany hatrany. Ho lany andro eo izay milaza fa hanao fifidianana, raha tsy mbola lavorary ary tsy eken’ny eto an-toerana satria dia tsy hahazo fankatoavana iraisam-pirenena izany”, hoy izy. Tsy azo atao kinanga anefa ny fandraisana fanapahan-kevitra, araka ny fanazavany, hisorohana ny mety hiverenan’ny krizy hafa indray any aoriana.

 

Nangonin’i Soa   

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT