Manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena, anisan’izany ny fanitsakitsahina zon’olombelona, sy ny fampihorohoroana dia miantso ny hahatongavan’ny mpanara-maso iraisam-pirenena avy amin’ny Vondrona afrikanina sy ny SADC ny filoha Marc Ravalomanana, raha nanoratra ho an’i Jean Ping, filohan’ny Vaomieran’ny Firaisambe Afrikanina.
Sivily sy miaramila ireo mpanara-maso ireo, araka ny fangatahan’i Marc Ravalomanana, mialoha, mandritra ary aorian’ny fifidianana. Nanamafy ny tenany ao anatin’izany taratasy izany fa ny fifidianana filoham-pirenena no tokony hatao mialoha ny fifidianana solombavambahoaka. Tsy tokony hohalavaina intsony koa, hoy izy, ny fetr’andro nomena ny ankolafy hampiharana ny satan’i Maputo ka hampiharana ny sazy ho an’izay minia mandika izany.
Ny fizirizirian’ny ankolafy Rajoelina amin’ny heviny irery no mahatonga ny firenena ho latsaka lalina ato anatin’ny fahantrana, nahaverezana asa maro, ka mampijaly ny vahoaka, hoy ihany ny filoha ao anatin’ilay taratasy, ka tsy tokony holeferina intsony izany. Tetsy andanin’izany, raha nitafa mivantana tamin’ny vahoaka tetsy amin’ny Magro ny tenany omaly, dia nanambara fa efa an-dalam-pametrahana paikady farany ny filankevitra afrikanina misahana ny filaminana sy ny fandriampahalemana. Nanamafy ihany koa izy fa tsy misy lalana ahafahan’i Madagasikara mivoaka amin’izao krizy izao afa-tsy ny fampiharana ny satan’i Maputo sy ny fifanarahana tovana tany Addis Abeba. «Maro ny zavatra hitan’ny vahoaka Malagasy, olona namadika, tsy manan-katao afa-tsy ny nandroba, nandrava», hoy i Marc Ravalomanana.
Tsy manan-kafitsoka intsony ireo manana ny fahefana ankehitriny, hoy ihany izy satria tsy matoky azy ireo ny mpamatsy vola sy ny firenena maneran-tany. Ary dia niantso ho amin’ny firaisankinan’ny Malagasy ny tenany. Tarigetra, hoy i Marc Ravalomanana ny famerenana ny fifampatokisana eo amin’ny mpamatsy vola sy ireo firenena maro satria zary lasa henatra ary manala baraka eo anatrehan’izao tontolo izao ny laza ratsin’i Madagasikara. Eo koa ny momba ny miaramila. Momba izay miaramila izay moa dia nampanatena ny tenany fa dia hanome porofo fa nisy tokoa ny vola nozaraina tamin’ny tafika, ny zandary ary ny polisy. Mikasika ny atrikasa hataon’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita manomboka anio moa dia nambaran-dRavalomanana fa tsy nifampierana izany ka tsy hitondra vahaolana na oviana na oviana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.