Tsy takona afenina intsony fa mbola ao anaty krizy i Madagasikara
. Vahaolana maimaika no hita, vonjy tavan’andro no atao. Mazava fa tsy misy fandaharanasa matotra tanterahana eto fa fitondram-panjakana manatsara tena no misy.Tsy hita aloha hatreto ny fanovana nodradradradraina nanomboka tamin’ny 2009. Fampahantrana aza no nisy satria nitombo isa isan-taona ny Malagasy very asa sy tsy ampy sakafo. Raha ny 68%-n’ny Malagasy no nosokajiana fa mahantra tamin’ny 2008, lasa 92% izany amin’izao fotoana.
Betsaka ny resaka natao teto, samy mahay mikabary ireo mpanao politika, filoha 2 , praiminisitra 5 ary minisitra efa ho 80 no nifamadibadika teto tato anatin’ny 7 taona, saingy nihemotra i Madagasikara fa tsy nandroso. Nosoketaina sy noharatsiana araka izay azo natao i Marc Ravalomanana saingy io izy tafaverina soamantsara an-tanindrazana io ary mbola hita fa vonona hitondra ny anjara birikiny ho fanavotana ny firenena sy ho fanampiana ny Malagasy. Fanohizana ny fandaharanasan-dRavalomanana hita ao anatin’ny Madagasikara Am-Perinasa (MAP) ny ankamaroan’ny asa natao teto : fanamboaran-dalana, ady amin’ny kolikoly, fizarana fitaovam-pianarana ho an’ny mpianatra, fanampiana ny tantsaha (fizarana zezika sy masomboly), fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana sy ny tsy miankina (3P), fametrahana ny “guichet unique” amin’ny sehatr’asa maro. Ary izao hita mibaribary izao ny firongatry ny olana eo amin’ny fananan-tany rehefa nijanona ny fandaharanasa MCA (Millenium Challenge Account) nahazoana famatsiam-bola maimampoana 100 tapitrisa dolara tamin’ny fitondrana Ravalomanana noho ny fiaraha-miasa tamin’ny Amerikanina.Ny resaka hoe fanajana lalàna sy fanarahana ny fitsipika moa dia tahaka ny hoe efa nilaozan’ny toetr’andro fa ny manampahefana mihitsy aza no mampiseho ohatra ratsy miditra any amina faritra mena amin’ny misasak’alina. Maro tokoa ny hetsika fanoherana etsy sy eroa saingy tsy maharesy lahatra olona firy satria fantatra ireo mpanao politika mersenera ao ambadik’izy ireny.
Tsy nisy ny olom-baovao nipoitra tato anatin’ny 7 taona, tsy nisy ny sahy nijoro tahaka an’i Marc Ravalomanana na dia teo aza ny zava-nitranga taminy ; tsy nisy ny nanana fanetren-tena tahaka ity filoha teo aloha ity ka nifona tamin’ireo rehetra sosotra na tezitra taminy. Nanatrika hatrany ny dinika rehetra momba ny fampihavanam-pirenena i Marc Ravalomanana na dia no gadraina aza ary nampiseho fa vonona ary afaka mihavana amin’ny rehetra. Mijoro hatrany koa anefa izy, tahaka ny efa nahafantarana azy hatramin’izay mamaky bantsilana ny tsy mety satria aminy tsy azo ekena ny fanambakana ny Malagasy.Azon’i Marc Ravalomanana sy ny fianakaviana natao tsara ny nijanona tany ivelany ka nananganana orinasa tany, saingy niverina teto Madagasikara izy ireo noho ny fitiavan-tanindrazana sy ny fahatsapana fa mbola misy ny zavatra tsy maintsy hifanampiana eo amin’ny samy Malagasy. Vonona hanohy ny tolona ho fanatsarana ny fiainan’ny Malagasy i Dada ka nanombohany izany ny famelomana indray ny Tiko ho fanomezana asa ny Malagasy sady hanolorana vokatra tsara ho an’ny mpiray tanindrazana aminy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.