Politique

Marc Ravalomanana “Mety amin’ny Malagasy ny fehinkevitry ny SADC”


  • Alakamisy 19 Aogositra 2010

«Mifanaraka tsara amin’ny zavatra tadiavintsika sy ny vahoaka malagasy ny zavatra tapaka tamin’ny fihaonan’ny SADC», hoy ny filoha Marc Ravalomanana raha niditra tamin’ny antso nivantana tetsy amin’ny Magro Behoririka ny tenany omaly.

Nohazavaina tamin’ny fianakaviamben’ny SADC, ny Vondrona Afrikanina ary ny fianakaviambe iraisam-pirenena, hoy izy fa tena sahirana ny vahoaka Malagasy satria tany tsy misy fanjakana, tsy misy fandriampahalemana sy filaminana ary fiarovana ny ain’ny vahoaka no misy eto. Araka ny fantatra àry dia hanampy hatrany amin’ny fanatanterahana ny fifidianana ny SADC, hanome tantsoroka na ara-bola na ara-teknika ity vondrona ity. Hametraka birao maharitra eto ny SADC. Toromarika no nomen’ny filoha Ravalomanana ny amin’ny tokony hanarahana izay lazaina. Tsy tombontsoan’olon-tokana na seza no jerena, hoy ny filoha fa izay hametrahana ny fandriampahalemana sy filaminana, fahamarinan-toerana ara-politika. Ankoatra izay, dia tsy maintsy mbola hihatra ny sazy mandra-piverin’ny ara-dalàna eto amintsika. Momba ny fifampidinihana indray dia tsy maintsy tafiditra ao avokoa ny hery politika rehetra fa tsy azo atao ny manapa-kevitra irery, hoy izy. Tetsy andanin’izany, dia nodinihana ihany koa ny momba ny fiharian-karena, ny fifanakalozana ara-barotra eo amin’ireo firenena mivondrona ao amin’ny SADC, anisan’izany ny momba ny haba sy fitaterana. Amin’io taona 2011 ho avy io no hapetraka ny fifanarahana ho amin’izany. 

Nangonin’i Soa
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT