Politique

Marc Ravalomanana Mbola matanjaka any SAVA


  • Alakamisy 27 Aprily 2017

Ny tany Antalaha faritra SAVA omaly no tena nahavory olona maro indrindra tamin’ny fitsidiham-paritra rehetra nataony tamin’ity taona ity i Marc Ravalomanana.

Nitanjozotra ny kortezy teny an-dalana, feno hipoka ny tranompokonolona nihaonany tamin’ny vahoakan’Antalaha. Mbola maro be no tavela tao ivelany fa tsy tafiditra. “Faly aho, tena faly aho”, hoy i Dada satria tsara be ny fandraisanareo anay, tsara ny fanomanana, tsara ny fanatanterahana. Sambany ihany koa no nandeha fiarakodia tamin’ilay lalana Sambava-Antalaha namboarina fony naha filoham-pirenena azy i Marc Ravalomanana; mbola tena ao tsara ny arabe, efa nantsoin’ny mponina any an-toerana moa hoe lalana Ravalomanana izy io ary tena velom-pisaorana ity filoha teo aloha ity ny mponina. Nifampiresaka mivantana tamin’ny olona tahaka ny fanaony i Dada. Maro ireo nanambara ny hetahetany sy ny vetsom-pony, noresahana ihany koa ny fiainam-pirenena sy ny sosialim-bahoaka amin’ny ankapobeny. Nitaraina ny olona tao Antalaha fa tena tsy ampy mihitsy ny fanampiana avy amin’ny fanjakana taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Enawo; eo koa ireo milaza fa leon’izao fitondrana HVM izao satria tsy hita mihitsy izay asa fampandrosoana. Vao miha aza mahantra ny olona ary mirongatra ny herisetatra sy ny asan-jiolahy, indrindra fa any ambanivolo. Tonga aty aho mba hijery ny fiainanareo sy ny akon’ny fandalovan’ny rivodoza Enawo, ary hijery ihany koa izay fanampiana afaka atao hanarenana ny fiainananreo, hoy i Marc Ravalomanana namaly ny fitarainan’ny olona. Etsy an-kilan’izay, tena maloto ny moron-dranomasina ao Antalaha ka nanome toky i Dada fa hanampy ireo mponina any an-toerana amin’ny fanadiovana azy, ary hisy ny fitaovana alefany any. Tsapa amin’izao dian’i Marc Ravalomanana any avaratra atsinanan’ny nosy izao fa tena mbola mamy hoditra  amin’ny vahoaka ao amin’ny faritr’i SAVA izy ary antenain’izy ireo fa mbola hiverina filoha indray amin’ny 2018. Tsy resabe fa hita porofo mivaingana tahaka ny lalana mampitohy an’i Sambava sy Antalaha ny asan-dRavalomanana sy ny ekipany, izao vitany ny nanarina ny Tiko sy ny Magro, atokisanay hoy ny olona tany Antalaha omaly fa tsy ho sarotra amin-dRavalomanana ny hanarina ny firenena.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT