Ao anatin’ny fiomanana tanteraka amin’ny fifidianana ny antoko TIM. Ny faran’ny herinandro teo dia nanatanteraka fiofanana ho an’ireo mpikambana mpitarika teny anivon’ny distrika eran’i Vakinankaratra izy ireo tao Antsirabe.
Nitarika ny fiofanana ny filoha Marc Ravalomanana notronin’ireo birao politika eo anivon’ny TIM. Nambarany fa anisan’ny nojeren’izy ireo ny paikady hiatrehana ny fifidianana sy ny fanokafana sy fandraisana ireo olona na fikambanana vonona hiaraka amin’ny antoko TIM. Mbola naverin’ny filoha Ravalomanana indray fa misokatra amin’ny rehetra ny antoko Tim ary malalaka ny fifanohanana. Tsy voatery hiditra TIM ny olona vonona hanohana azy. Nambaran’i Marc Ravalomanana fa tsy mipetraka eto Madagasikara amin’izao fotoana ny demokrasia matoa mitranga ny olana maro eto Madagasikara io. Nambarany fa matoa izy mitety faritra dia noho ny tsy fisian’ny demokrasia satria tsy manana onjam-peo mba hifampiresahana amin’ny mpomba azy izy. Fa nitondran’ny filoha Ravalomanana fanamariahana ny fisian’ireo fitokonana etsy sy eroa ka nilazany fa marefo dia marefo ny fitondrana na dia mihevitra ho manana ny maro an’isa aza ny mpitondra ary tsy manana maha mpitondra azy izy ireo. Anisan’ny nampianarin’ny filohan’ny antoko Tim ny tsy hananan’ireo mpitarika tahotra amin’izay atao saingy ao anatin’ny fanarahan-dalàna no hanaovna azy. Nanamafy moa Rtoa Olga Ramalason, senateran’i Madagasikara fa ilain’ny antoko politika ny manofana ireo mpikambana sy ny mpitarika ao aminy mba ho vanona sy ho vonona amin’ny fandraisan’andraikitra eto amin’ny firenena. Nambarany fa amin’ny maha antoko lehibe ny TIM dia ilaina ny fiomanana mialoha ny fifidianana toy ny fanamarinana ny lisi-pifidianana. Nambarany fa niaritra ny mafy ny antoko Tiako I Madagasikara nandritra ireny fanonganam-panjakana ny taona 2009 ireny. Miverina amin’ny heriny ny antoko ankehitriny. Mifoha ny olona noho ny tsy fisian’ny fandriampahalemana sy ny fahasahiranana izan-karazany. Amin’izao fotoana aza dia ny olona mihitsy no mangataka ny hihetsehan’ny antoko noho ny fahatsapan’ny olona ny zava-bitan’ny fitondrana tamin’izany. Nahatonga solontena avokoa ireo disitrika rehetra nanerana an’i Vakinankaratra.
Caius R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.