Politique

Marc Ravalomanana Manomana ireo mpomba azy hivonona amin’ny fifidianana


  • Alarobia 19 Mey 2010

Herintaona mahery izao no nahatafalatsaka lalina ny firenena anatin’izao krizy izao. Ny dinika ambony latabatra no hany lalana hamoahana an’i Madagasikara amin’izany.

adiranovana ny Malagasy tao anatin’izay herintaona izay, araka ny fanazavan’ny filoha Ravalomanana raha niditra tamin’ny alalan’ny antso an-tariby mivantana tetsy amin’ny kianjan’i Magro Behoririka ny tenany omaly. Nitranga izao olana izao noho ny fiheverana sy ny fisainana ary ny fihetsika tsy mitovy. Tsy fotoana hisalasalana na koa hifanomezan-tsiny anefa izao, hoy ihany izy, satria samy tompon’andraikitra. Nanambara moa ny tenany fa efa naharay ny fiantsoana fivoriana hatao ato ho ato any Pretoria avy amin’ireo mpanelanelana. Manameloka sy mitsipaka ny fanapahan-kevitra mandeha irery ny firenena rehetra, hoy izy. Noho izany dia tsy maintsy dinihana sy iaraha-manapaka avokoa ny zavatra rehetra. “Mila averina any amin’ny vahoaka ny fahefana”, hoy ihany Ravalomanana izay niantso ireo vahoaka nihaino azy teny an-toerana mba hivonona amin’ny fiatrehana izay fifidianana hatao eo. Niantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena koa ny tenany handray andraikitra, tsy hanaiky izay fanapahan-kevitr’olon-tokana, hanampy kosa amin’ny famerenana amin’ny toerana tokony hisy azy an’i Madagasikara. Araka ny fanazavan’i Marc Ravalomanana dia anisan’ireo hikarakara ny fifidianana ny Sadc, ny Vondrona Afrikanina, ny Firenena Mikambana. Manoloana izany fifidianana izany dia tsotra no nambaran’i Marc Ravalomanana fa vahoaka Hendry ny Malagasy ka mahafantatra ny tokony hataony. Manantena vahaolana ny filoha amin’izay dinika manaraka hatao any Pretoria satria ny tombontsoa ambonin’ny firenena no tarigetra ka apetraka daholo, hoy izy ireo, na ny fitiavan-tena na ny hambom-po. Ankoatra izany, dia niantso ny vahoaka mlagasy ho tony Atoa Ravalomanana ka handinika tsara izay hatao. “Avelao ny vahoaka hifidy izay hitondra azy”, hoy ihany izy. 

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Minisitry ny Fitsarana
  • Alarobia 22 Aprily 2026

« Niray tetika tamin’i Kol.

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Talata 21 Aprily 2026

«Fotoana hihainoana ny rehetra izao!»

  • ANTOKO FANOROLAHY-
  • Talata 21 Aprily 2026

FANAVAOZANA TENA IZY Ataovy aloha ny fifidianana

  • MADAGASIKARA (1991 – 2026)
  • Talata 21 Aprily 2026

Misy tsy mety ao matoa mikorontana isaky ny mihetsika

  • Hary Razafindrazaka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Ireo MAPAR anaty fitondrana

Hijery ny tohiny
FTT