Nanambara tamin’ny fomba ofisialy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana fa tsy ho kandida amin’ny fifidianana hotanterahana eto Madagasikara amin’ny taona 2013.
Mitondra ny datin’ny 11 desambra, izany hoe ny talata lasa teo ilay fanambarana, ka vavolombelona nanatrika izany ny filohan’i Tanzania sady filoha mpitarika ny Troika, Jakaya Mrisho Kikwete. Nisy moa ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety nataon’izy mirahalahy ireto, tao amin’ny State House – Dar es Salam ny talata lasa teo, ka nandritra izany no nanambaran’Atoa Ravalomanana ny faniriany hody eto Madagasikara, hitondra filaminana sy fandriampahalemana no sady hiara-kiasa amin’ny olon-drehetra hanarenana ny firenena. Nohamafisin’Atoa Marc Ravalomanana ihany koa fa tsy mitsipaka velively ny hisian’ny fifidianana amin’ny mey sy jolay 2013 ny tenany mba ho fanajana an-tsakany sy an-davany ny tondrozotra.
Hita fa dia tohin’ny lojikan’ilay fehin-kevitry ny SADC nivoaka ny sabotsy lasa teo ity fanapahan-kevitry ny filoha teo aloha ity. Ny resaka mantsy tamin’izay dia ny hoe tokony horesen-dahatra mba tsy ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena Atoa isany Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina. Ny filohan’ny Troika Jakaya Mrisho Kikwete, no nanao izany ary dia resy lahatra izany ny filoha teo aloha, fa io no fanapahan-kevitra hanafaingana ny famahana ny krizy. Miaraka eto ny diplaomasia sy ny politika ka mety misy ny zavatra nifampiresahan’ny roa tonta tsy voatery hambara ny besinimaro. Na izany aza maro no mihevitra fa fanapahan-kevitr’olon-kendry ity noraisin’i Marc Ravalomanana ity ary tena midika ho fanetren-tena lehibe satria tena voaporofo izao fa ny tombontsoan’ny firenena no nataony ambony, fa tsy ny an’ny tenany, ka na dia Malagasy maro be tsy hita isa aza ny nanantena azy fa mbola ho kandida dia nandefitra izy.
Re fa dia nikoropaka ny tao Ambohitsorohitra tao raha nahare ity tsy filatsahan’i Marc Ravalomanana ity, ary dia nalefa indray ny serasera fa hoe fanakorontanana, hono, io. Sarotra mantsy ny toe-draharaha ho an’i Andry Rajoelina amin’izao fotoana, satria raha ny tokony ho izy izany dia manambara amin’ny fomba ofisialy koa izy fa tsy ho kandida, toy ny efa nataony tamin’ny 12 mey 2010. Toa efa miomana amin’ny propagandy anefa ary efa nisantatra izany mihitsy ny filohan’ny tetezamita. Toa efa manonofy ho filohan’ny Repoblika mpanorina sy mpanangana ho an’ny taranaka fa tsy filohan’ny tetezamita mpikarakara fampihavanam-pirenena sy fifidianana, ka tsy mahagaga raha marary an-doha ihany manoloana izao fivadiky ny tantara tampoka izao. A
ry raha ny fahitana azy dia miandry fatratra izay hambarany izay vao tena handrotsaka vola hanaovana ny fifidianana ny fianakaviambe iraisam-pirenena, ary raha miteny i Andry Rajoelina fa ho kandida, dia azo antoka fa tsy hisy vola fanampiana ho azon’ny CENIT izany eo. Efa tena mazava be mantsy fa manohana ilay “ni…ni”, hatreto aloha, ny sehatra iraisam-pirenena. Tena faly sahirana noho ity tsy filatsahan-dRavalomanana ity noho izany, ny ankolafy Rajoelina satria mety tena diso kajy tanteraka. Rehefa tsy kandida intsony mantsy Atoa Marc Ravalomanana dia lojika be raha afaka mody an-kalalahana eto, ary dia mihatra aminy koa ilay ho sata manokan’ny filoha teo aloha, araka ny efa noresahana tany Maputo ary mbola nohamafisin’ilay fanambaran’ny SADC farany teo. Izany hoe hohajaina amin’ny maha raiamandreny azy izy, ary tsy misy an’izany hoe hosamborina sy hotsaraina ary hogadraina izany intsony. Ny ankamaroan’ny mpanara-dia an’i Andry Rajoelina anefa dia nivavaka mafy hatramin’ny 2009 mba hahita an-dRavalomanana eny Tsiafahy na Antanimora.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.