Na dia teo aza ny sompatra sy antsojay isan-karazany ataon’ireo milaza ho manana ny fahefana, ka miezaka manafoana na manakivy ireo mpitolona miara-dia amin’ny ankolafy 3, dia ny firehana Ravalomanana, Ratsiraka ary Zafy Albert dia tsy sakana ho an’ireo vahoaka tsy ho tonga maro eny amin’izay kianja hitolomana sy hifampitam-baovao izany.
Tamin’iny herinandro lasa iny dia indroa niharan’ny herisetra mivantana ireo maneho ny heviny etsy amin’ny kianjan’ny Finoana, Behoririka. Rehefa avy nalaina an-keriny ny fanamafisam-peo, dia nanao bemidina teny koa ny miaramila mamo mitam-basy nandroaka azy ireo. Ny sabotsy teo anefa dia tonga maro hatrany ireo vahoaka maneho ny heviny, manohitra ny fanjakana nalaina tamin-kery. Niavaka ny fifamotoanana ny sabotsy lasa teo satria nanao tsipaipaika ireo mpitolona ho an’ny fanamafisam-peo. Raha tsiahiviana dia tsy latsaky ny in-3 izao no efa noraofin’ny mpitandro ny filaminana ny fanamafisam-peo, nanomboka teny Ambohijatovo, Ankorondrano ary Behoririka. Tetsy an-danin’izany dia niditra nivantana tamin’ny alalan’ny antso an-tariby ny filoha Ravalomanana. Tamin’izany no nankaherezany ireo mpitolona, nisaorany azy ireo koa.
Mihatra aman’aina manko, hoy izy, ny zava mitranga eto amin’ny firenena. Notanisainy tamin’izany ny zava-manjo ireo mpitondra fivavahana, ireo olon-tsotra maneho hevitra kanefa nejehina sy vonoina ary fonjaina. “Andriamanitra tsy andrin’ny hafa, andrintsika foana”, hoy i Marc Ravalomanana. Araka ny fanazavany dia miezaka ny tenany manafaingana ny fikaroham-bahaolana amin’izao fahasahiranana ara-politika izao. Mijaly ny Malagasy amin’izao fanjakana tsy tan-dalàna izao sady manosihosy ny zon’olombelona, hoy izy. “Na inona na inona fanenjehana sy fampitahorana, tsy hihemotra isika”, hoy i Marc Ravalomanana. Ny fianakaviambe iraisam-pirenena dia tsy misy manaiky izao fanjakana misy eto amintsika izao, hoy ihany izy. “Midika izany fa manana ny rariny isika mitaky ny fiverenana amin’ny ara-dalàna”, hoy izy. Nambarany ihany koa fa dia toy izao zava-misy ankehitriny izao ny nanjo ireo tia tanindrazana tany amin’ny taona 47. Manoloana ny vaovao tsy marina afafy etsy sy eroa, eo koa ny fampitahorana sy ny fanenjehana dia nanentana ny rehetra ny tenany mba hahay hisafidy. Nanantitrantitra i Marc Ravalomanana fa hijoro mandrakariva ary tsy hihemotra amin’ny fametrahana ny Fahamarinana izy sy ny vahoaka miara-dia aminy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.