Politique

Marc Ravalomanana Mampiomana ireo mpomba azy


  • Talata 28 Jona 2011

Nafana sy niavaka tanteraka ny sabotsy 25 jona lasa teo, tao amin’ny Kianjan’ny Magro Avaratsena Antsirabe satria dia nifamotoana tao toy ny mahazatra ireo mpomba ny ara-dalàna.

 Nanamarika ny fotoana rahateo ny fidirana nivantana an-tariby nataon’ny Filoha Marc Ravalomanana. Nisongadina tamin’ny lahateny nataony ny filazana fa tsy maintsy ho tonga eto Madagasikara ny tenany ary ho kandidà amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy eo. Ny vahoaka, hoy izy no aoka hitsara sy hifidy marina izay olona ekeny hitondra azy. Nanamafy ny Filoha Marc Ravalomanana fa fahadisoana tanteraka ny fizirizirian’ny FAT milaza hanao fifidianana samirery kanefa ny mpanao politika rehetra dia milaza fa tsy hangarahara sy tsy hahazo fankatoavana izay fifidianana ataony eo ary mitaky tsy misy fepetra ny fodian’ny mpanao politika rehetra ivelan’i Madagasikara, anisan’izany ny tenako, hoy ihany izy. Farany dia nanome toromarika ny tenany nilaza fa ny tsy misy tokony hatahorana n’inona n’inona ramatahora sy herisetra fa mila miray hina sy mivonona ary manohy ny tolona hatrany. Nahafaly tanteraka ny zanak’i Dada tao Antsirabe moa ity tafa nataony nialoha ny fetim-pirenena ity satria dia nilaza koa ny filoha fa hitafa matetika sy hampafantatra hatrany ny fivoaran’ny dingana ataony any ampitan’ny ranomasina any amin’ny vahoakan’Antsirabe. Marihina fa nitarika tao amin’ny Magro tamin’io fotoana io moa ny Senatera teo aloha Lanto Rabenatoandro, notronin’ireo mpitarika maro hafa legalista rehetra. Amin’ny alarobia sy sabotsy indray no mifamotoana izy ireo.

 

Caïus R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT